FANAINGANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETIKASA TITRE VERT FARITRA IHOROMBE

Faritra Ihorombe, faritra faharoa taorian’ Analamanga nametrahan’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny tetikasa Titre Vert .Notanterahina tao Bemaho-Vohimalaza, Kaominina ambanivohitra Satrokala, Distrikan’Ihosy ny 05 oktobra 2023 ny fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity.

Tanora 100 miandahy eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 40 taona ka ny 23 amin’izany dia vehivavy no nahafeno ny fepetra ary misitraka ny tany 1ha avy izay hanaovana ny asa fihariana ara-pamokarana. Ny voly mangahazo sy apemba ary ny fiompiana akoho sy ondry no iompanan’ny asa atao izay efa nahitana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany.

Nisy ny fizarana hanam-pamokarana zezika biolojika, masomboly apemba, taho mangahazo sy fanolorana taratasy fanamarinana zo fisitrahana tany ho an’ireo tanora avy amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan-dRamatoa RAHARINOMENA Fanja, Sekretera Jeneralin’ny Minisitera sy ny mpiara-miasa avy amin’ny faritra Ihorombe. Ivon’ity tetikasa Titre Vert ity ny fanofanana ireo tanora ho mpandraharaha maoderina.

Marihina fa aorian’ny fahatelo taona nanajariana ny tany dia misitraka ny zo feno maha azy ny tany ireo tanora.

#MINAE

#FDA

#Fambolena

#Fiompiana

Comments are closed.