Atrikasa fakan-kevitra ho fandrafentana ny PMO na drafitra fanatanterahana ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fampiofanana ara-pamokara sy eny amin’ny tontolo ambanivohitra na SNFAR amin’ny taona 2023-2035.

13 oktobra 2023, nisy ny atrikasa fakan-kevitra ho fandrafetana ny PMO (Plan de Mise en Oeuvre) amin’ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fampiofanana ara -pamokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra  na SNFAR ho amin’ny taona 2023-2035, izay nataon’ireo mpisehatra eo amin’ny fampiofanana eny amin’ny tontolo ambanivohitra, tao Anosy. Hetsika teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny DVFAR, novatsian’ny fandaharanasa FORMAPROD sy ny fandaharanasa RINDRA vola.

Nojerena ny laharam-pahamehana amin’izay asa ho atao miainga amin’ny hevitr’ireo mpisehatra; ny tombana amin’ny sandan’ny vola hanatanterahina ny asa; ny tondrom-pandrefesana ireo vokatra andrasana miisa 11, izay efa voafaritra. Tanjona ny ahafahana mametraka vina, tanjona, sori-dalana mba hanomezana fampiofanana ara-kalitao.

Mandrafitra ny tolo-draharaha ho an’ny mpamokatra, izay dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo  eto Madagasikara, ny fampiofanana ara-pamokarana sy ny tontolo ambanivohitra. Zava-deibe ny fanana drafitra mazava hahafahana manatsara ny fitantanana sy fanatanterahana ny asa ho atao amin’ny SNFAR izay tokony ampifanarahana amin’ny filàna sy seha-pihariana eny ifotony ary tokony hampitombo ny vokatra sy ny asa eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Heverina fa hitondra fampivoarana sy hanamafy ny haitao sy haivao ara-pamokarana , amin’ny fanavaozana ny sehatry ny famokarana mahomby ho amin’ny fampandrosoana maharitra, vina ho tratrarina hatramin’ny taona 2035, ity SNFAR ity

#SNFAR

#DFAR

#Formationprofessionnelle

Comments are closed.