DEFIS-MINAE-FARITRA FITOVINAGNY : PI BEVAVA/ FANITARANA NY VELARAN-TANY AZO VOLENA SY FITANTANANA MAHARITRA NY RANO

Fotodrafitr’asa maharitra sy lovain-jafy no napetraky ny fitondram-panjakana ao amin’ny Kaominina Mitanty sy Ampasimanjeva, Distrika Manakara, Faritra Fitovinagny dia ny toha-drano BEVAVA.

Paikadin’ny MINAE ny fanorenana Fotodrafitr’asa, mba afahana manampy sy mampivoatra bebe kokoa hatrany ny farim-piainan’ireo tantsaha mba hanafoanana ny mosary izay mianjady amin’iny faritra iny.

Ny Fandaharan’asa DEFIS izay eo ambany fiahian’ny MINAE ary vatsian’ny FIDA vola no angady nananana izao fotodrafitr’asa goavana izao, miampy ny famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana Malagasy ary ny anjara biriky avy amin’ireo tantsaha mpisitraka.

Tontosa 100% ankehitriny ny asa fanitarana ny velaran-tany azo volena, hirindra arak’izany ny fizarana ny rano manondraka ireo tanim-bary amin’ny alalan’ny toha-drano, ka afaka hisitraka ny fotodrafitr’asa avokoa ireo tantsaha eo an-toerana sy ny manodidina.

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) “Mendrika” ny fotodrafitr’asa ka tokantrano miisa 483 no misitraka izany. Afaka manondraka velaran-tany mirefy 340Ha ny lemaka raha 110 Ha monja izany talohan’ny nisian’ny Fotodrafitr’asa.

Ny 8 oktobra 2023 no natao izany ka ny Governoran’ny faritra Médecin Général Razafitsotra Lucien Laurel sy ny Tale Kabinetran’i Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Andriamatoa Jocelyn Rasoanaivo izay solotenan’Andriamatoa Minisitra ary ireo olom-boafidy sy ireo olom-boatendry avy eo amin’ny faritra no nanatontosa ny fanolorana. Nohotronin’i Ramatoa Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Fitovinagny, ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fandaharan’asa DEFIS.

Rano tsara tantana, mampandroso ny Fambolena hoy Andriamatoa Talen’ny Kabinetra. Satria ireo tantsaha eo anivon’ny faritra dia mamokatra vary 5 Taonina isaky ny hektara, ary afaka mamboly in-droa isan-taona,raha mirindra tsara araka ny tokony ho izy ny fizaran-drano, izany hoe mahazo vokatra 3 400 Taonina eo ny taom-pambolena iray.

Tanjona ny hampiroborobo hatrany ny seha-pamokarana, ahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo, mba hanalefahana ny mosary ary hampivoarana arak’izany ny farim-piainan’ireo tantsaha. Ka hahaleo tena ara-bary iny faritra Fitovinagny iny. “Velontena mivadika Harena no kendrena”

Retour

Comments are closed.