DEFIS-MINAE/FARITRA ATSIMO ATSINANANA : Fanolorana ny fotodrafitr’asa-Trano fanangonana sy fanodinam-bokatra Kafe Robusta

Anisan’ny Paik’ady entin’ny fitondram-panjakana manatanteraka ny fanambin’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy ny fanorenana Fotodrafitrasa.Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny Fandaharan’asa DÉFIS izay vatsian’ny FIDA vola dia nanorina toeram-panangonana sy fanodinana Kafe ao Vohitrambo, Distrika Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana.

Mpisitraka miisa 52 no mahazo tambo-tsoa izay famokarana tantanam-pianakaviana.Tontosa 100% ankehitriny ny asa fanorenana, voavatsy ara-pitaovana ny traano ka afaka miroso tanteraka amin’ny asa fanodinana kafe Robusta tsara kalitao sy voafantina ireo tantsaha.

Ny 5 oktobra 2023 no natolotra ny Kaoperativa FANILO tamin’ny fomba ofisialy ny fotodrafitr’asa. Ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Andriamatoa RASOANAIVO Jocelyn no nisolo tena an’ Andriamatoa Minisitra nanatanteraka izany, nohotronin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur Mahafaky Justin sy ireo delegasiona eo anivon’ny Ministera.

Arak’izany dia ireo tantsaha mpamokatra anaty Kaoperativa ireo no hiandraikitra ny fitantanana ny fotodrafitr’asa. Mpamboly Kafe avokoa izy ireo. Mahatratra 11Taonina eo ho eo ny vokatra Kafe isaky ny taom-pambolena.

Tanjona ny mba hamerenana indray ny hatsaran’ny kalitaon’ ny Kafe ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano ary indrindra ny hampiakarana ny rojom-pihariana, hanome lanja ny famokarana, ka hampitombo ny taham-bokatra ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. “Velontena mivadika Harena no kendrena” “Noho ny fitiavan-tanindrazana no hametrahana izao Fotodrafitr’asa izao”, hoy Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, “Ho lovain-jafy ary hampiroborobo ny seha-piharian’ny Malagasy”.

Retour

Comments are closed.