PI Manambaro, Faritra Anosy: 95% n’ny asa fanamboarana ny tambazotra fitarian-drano no vita ankehitriny, hanondraka velaran-tany 383 ha

Ho fanitarana ny velaran-tany azo volena sy fampitomboana ny vokatra dia tanterahin’ny MINAE amin’ny alàlan’ny fandaharan’asa DEFIS, vatsian’ny FIDA vola, ny asa fanamboarana ny tambazotra fitarihan-drano ao Manambaro, distrika Faradofay, Faritra ANOSY.

Raha 147 ha monja no voatondraka talohan’ny fanamboarana dia efa tafakatra avo roa heny mahery, 383 ha izany ankehitriny, na mbola misy ampahany tsy vita aza amin’ny asa. Manodidina ny 650 eo ho eo ny tantsaha mpisitraka. Anisan’ny asa goavana efa vita, niarahana tamin’ireo mpisitraka, ny fanavaozana barazy, ny lakandrano fototra sy ireo tambazotra maro mizara ny rano (barrage, canal principal, réseaux d’irrigation secondaires).

Mbola mitohy kosa ny asa famaranana ny fanitarana ny lakandrano fototra amin’ny ilàny havia sy fanavaozana ny “avant canal” amin’ny ilany havanana, ary ny fametrahana sarona amin’ny lakandrano mandalo ny tsenan’I Manambaro iarovana azy tsy ho tototry ny fako sy ny atsanga.

“Foto-drafitrasa  maharitra, azon’ny taranaka fara mandimby sitrahana no tanjona” hoy ny Minisitra Harifidy RAMILISON, koa entanina ny tantsaha anatin’ny fikambanana mpampiasa rano hikojakoja izany.

Tonga nijery ny fivoaran’ny asa ny tenany, notronin’ny Governoran’ny Faritra Anosy, Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, sy ireo olo-manankaja maro anivon’ny distrika sy kaominina ny 07 oktobra 2023.

Retour

Comments are closed.