Atrikasa fanaovana tombana sy famaranana ny fandaharanasa FORMAPROD, FARITRA MELAKY

Teny filamatry ny fanadaharanasa FORMAPROD ny hoe: « ho fianatra hatrany », amin’izao famaranana izao. 9 taona niasana tao amin’ny Distrika dimy dia i Besalampy, Maintirano, Ambatomainty, Morafenobe, Antsalova, ny fandaharanasa FORMAPROD, izay vatsian’ny FIDA vola, ho an’ny Faritra Melaky.

Ampy nampiainga ny fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana ny ezaka vitan’ny fandaharanasa, tamin’ny fampananan’asa sy fanofanana matihanina ireo tanora miisa 7200, voahofana ireo tao amin’ny Faritra. Ny 50%n’ireo dia nahazo asa mahavelona eo amin’ny seha-pihariana, jono, fiompiana ary fambolena.

👉

Niompana tamin’ny fanavaozana sy fanohanana amin’ny fanatanterahana ny paikady nasionaly momba ny fanofanana ara-pamokarana eny ambanivohitra na SNFAR ; ny fanofanana tanora mba ho lasa mpamokatra na teknisianina na mpandraharaha matihanina ; ny fananganana fotodrafitrasa isankarazany (barazy, lalana, trano fiofanana CAFPA, trano fitahirizana na fanodinam-bokatra), ny tolotra nentin’ny fandaharanasa FORMAPROD.  Tanora voahofana ho lasa modely sy mpitarika

Tanjona mba hahazoana tanora afaka manana asa mahavelona sy ho tanora mpandraharaha ara-pamokarana. Misongadina araka izany ireo tanora nahazo fampiofanana, satria hita taratra fa tonga modely sy liam-pivoarana hatrany ary mikatsaka ny hampitombo ny vokatra.

🌿

« Nifanaraka tamin’ny filàko ho fanatsarana ny tetikasako, ary hampaharitra ny asa fivelomako ny tohana sy fampiofanana ara-teknika nentin’ny FORMAPROD », hoy i RAKOTOMALALA Willy. Misehatra tamin’ny fambolem-bary sy famokarana voasary, avy ao Maintirano. Mbola kely ny vokatra azo taloha, tamin’ny fambolem-bary nentim-paharazana nataony ary efa niakatra izany ankehitriny. Nahazo tombony be ary lasa nahazo velontegna maharitra no efa sangany eo amin’ny tanora namana.

« Niala an-daharana tany an-tsekoly aho tamin’ny kilasy T11, satria tsy vitan’ny Ray aman-dReny intsony, ka nahazo toro-lanana, fanarahan-dia, fanomezana tohana tamin’ny FORMAPROD, ho lasa tanora mpamokatra manana anton’asa mahavelona ankehitriny » hoy i Noel RAMAMPAHARISON, tanora avy ao Antsalova. Nifototra tamin’ny tanjoko ny ho lasa mpandraharaha amin’ny fambolem-bary aho ary niakatra ny vokatra ankehitriny. Nahazo hay vao tamin’ny fampiofanana GALS, ihany koa ary efa mizara izany any amin’ireo tanora namana hafa, izay liana.

Misy ny rafitra manohy, izay efa nahazo fanamafisana sy fahaiza-manao amin’ny fampaharetana ny asa vita syn y fikojakojana ny fotodrafitrasa

Mandalo ny tetikasa sy ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana, nentin’ny FORMAPROD, fa ny fahalalana sy ny fahaiza-manao, dia mitoetra ary haharitra sy hozaraina, ho fampaharetana ny asa vita.Ka ho tanora tsara hofana, tsara ketrika, tsara fihary ary lasa tsara fianatra.

.

👉

Natao ny 7 oktobra 2023, tao Maintirano, ny atrikasa fanaovana tombana sy famaranana ny fandaharansa FORMAPROD, ho an’ny faritra MELAKY. Nomarihina tamin’ny fijerena ny vokatry ny asa natao, a ny fahombiazana izay tokony ho tohizana, ny lesoka mila hohatsaraina, ny fanomezana soso-kevitra ho fanohoizana ny asa sy fampaharetana ny asa, nisy ihany koa ny fanomezana « bisikleta », ho an’ireo nanao fifaninanana PAC FAR.

Hiroborobo hatrany anie ny asa famokarana, ho tratra ny dingana ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, nohon’ny asa vitan’ny fandaharanasa FORMAPROD, tombontsoa ho an’ny Faritra MELAKY

#MINAE

#draemelaky

Comments are closed.