FANAMBOARANA TOHADRANO AO AMIN’ NY CR AMPAHITROSY : ANONDRAKA LEMAKA 1200 HA

Notanterahina  ny alakamisy 05 oktobra 2023 tao amin’ny Fokontany Ambatomainty, kaominina ambanivohitra Ampahitrosy, distrikta Antananarivo Atsimon-drano faritra Analamanga,ny fametrahana ny vato fototra ho fanomboana ny asa fanamboarana  tohadrano.

Tafiditra ao anatin’ireo paikady entina anatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanajariana sy fanamboarana ary fanarenana ireo lemaka voatondraka sy tohadrano. 100% ny mponina ao amin’ny kaominina Ampahitrosy dia mpamboly vary ary mamatsy ny tsenan’Antananarivo (Anosibe sy Namontana).

Noho ny fahasimbana sy fahateran’ ireo  fotodrafitrasa maro ankehitriny, dia efa tafidina  ho 1t/ha ny tahambokatra tao an-toerana. Hitondra vaholana ho an’ireo tantsaha ao amin’ny kaominana Ampahitrosy ny fahavitan’ny tohandrano, hampiakatra ny vokatra ary hanitatra ihany koa ny velaran tany azo volena.

Afaka manondraka lemaka manodidina ny 1200ha  ny  tohandrano ao Ambatomainty Ampahitrosy ary 3000 ny tokantrano hisitraka mivantana ireo fotodrafitrasa ao amin’ ny  kaominina Ampahitrosy sy ny kaominina rahavavy toa any CR Ankadivoribe, Antsadita, Soavina, Ampanefy, Antanetikely ary Androhibe.

Ny asa izay ho tanterahina amin’ ity tetikasa ity dia: fanamboarana tohadrano mafy sy maharitra vita amin’ny “béton”, fanamafisana fefiloha amin’ ny fananganana ny “mur de protection”, fanamborana  “avant canaux miisa 2”, fametrahana “dalot” sy asa maro afa…

Entina hanatsarana ny taom-pamokrana ho avy dia nisy ny fanolorana  fitaovana hoan’ireo tantsaha toy ny kibota sy ny fikojakojana azy, angadin-omby, fihavana vary, « herse » ary  hanampamokarana toy ny masomboly vary, voan-anana, ary zezika .

Ny lanonana dia notarihin’ ny lehiben’ ny governemanta Atoa NTSAY Christian. Nohamafisina tamin’ izany fa ny fitondrampanjakana ankehitriny dia fitondrana mitsinjo ny vahoaka ary mitondra  vahaolana ho an’ ny fanatsarana ny fiainan’ ny mponina Malagasy.

Nandritra ny fotoana dia nanambara ihany, koa ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana Ato RAMILISON Harifidy  fa efa ho atomboka tsy ho ela ny asa fanarenana ny tohandrano ao Fidasiana.

Nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera mpanjakana ny Tanana Vaovao sy ny toeramponenana, ny Governora Analamanga sy ireo olombohafidy tao amin’ ny distrika Atsimondrano.

Retour

Comments are closed.