MISOKATRA NY BIRAO VAOVAON’NY ANTENIMIERAN’NY VAROTRA SY INDOSTRIA AO IHOSY, FARITRA IHOROMBE

Fanamby lehibe apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana mitodika amin’ny tsena, amin’ny fanohanana ireo fianakaviana tantsaha mpikambana ao amin’ny vondron’ny tantsaha mpamokatra na ny OP mba ho matianina eo amin’ny asa fihariana sy ny famarotana ny vokatra izy ireo.

Ny Fandaharanasa DEFIS izay vatsian’ny FIDA vola miasa ao amin’ny Faritra Ihorombe dia anisan’ny fitaovana eo ampelatanan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana manatanteraka ny fanohanana ireo mpamokatra ireo amin’ny alalan’ny fampifandraisana azy amin’ny mpandraharaha ara-barotra tsy miankina. Manana anjara toerana lehibe amin’izany fanelanelanana sy fanamorana ny fifandraisana eo amin’ny mpamokatra sy ny mpandraharaha izany ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria na ny CCI eo anivon’ny faritra Ihorombe.

Ho fanatsarana izany fiaraha-miasa izany dia vita ny birao vaovao fiasan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Ihosy. Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramatoa RAHARINOMENA Fanja sy ireo eo anivon’ny faritra ary ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Ihosy nontronin’ny avy ao amin’ny Fandaharanasa DEFIS nasionaly sy rejionaly.

#MINAE

#MCCI

#FIDA

#defis

#cci

Comments are closed.