IVONTOERANA CAFPA ANKILY, FARITRA IHOROMBE: HANOFANA TANORA HO MATIANINA AMIN’NY FAMOKARANA

Natolotry ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an’ny Faritra Ihorombe ny foto-drafitrasa lehibe CAFPA na ny Ivontoerana Fanohanana sy Fanofanana ho matianina eo amin’ny sehatry ny famokarana ireo tanora Malagasy niala an-daharana tany an-tsekoly.

Mandray mpiofana eo amin’ny 20 isan-taona ny CAFPA ao Ankily, tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 23 taona no raisina .Misy ny fiofanana fototra mandritra ny 2 taona ka ny taona 2025 dia tokony hamoaka Mpamokatra sy mpandraharaha ara-pamokarana matianina eny ambanivohitra ny ivon-toerana.

Tantsoroka iarahan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa FORMAPROD izay vatsian’ny FIDA vola no nahavitana ny foto-drafitrasa roa lehibe ahitana trano fiatrehana ny fiofanana sy fisakafoanana ary fatoriana ho an’ireo mpiofana.

Manaporofo indray izao fa ny fitondram-panjakana dia tsy mikely soroka mandrakariva manao izay hahatonga ny sehatry ny famokarana hiroborobo ka ny fiofanana ara-pambolena sy fiompiana no napetraka ho anisan’ny zava-dehibe sy fototra hahatrarana ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

#MINAE

#FIDA

#Formaprod

#Cafpa

Comments are closed.