FARITRA MATSIATRA AMBONY: FANOLORANA HO AN’NY FIKAMBANANA MPAMPIASA RANO NY TAMBAZOTRA FITARIHAN-DRANO NASIAM-PANARENANA TAO ANKARANDOHA SY MANOMBOARIVO.

Lanonana roa sosona no notanterahina tao amin’ny fokontany Sakaviro, kaominina Iarintsena sy ny fokontany Firaisantsoa Vidia samy ao anatin’ny Distrikan’Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony ny 04 oktobra 2023.

Natolotry ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Ramatoa RAHARINOMENA Fanja sy ireo mpiara-miasa aminy notronin’ny Solombavambahoakan’ Ambalavao s’y ireo tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana ho an’ny fikambanan’ny mpampiasa rano amin’ireo lemaka roa ireo ny tambazotra fitarihan-drano nasianm-panarenana raha samy efa tsy nandeha araka ny tokony ho izy intsony noho ny fahanterany.

Ny Fandaharanasa DEFIS izay vatsian’ny FIDA vola no nanatanteraka ny asa teny ifotony.Raha velaran-tany 38ha monja no afaka nambolena vary ho an’ny lemaka Ankarandoha dia tafakatra 85ha izany ankehitriny.

Tokantrano mpamboly miisa 100 no misitraka ny foto-drafitrasa. Ho an’ny lemaka Manomboarivo kosa dia fianakaviana 134 no mahazo tombontsoa mivantana. Nitombo hatrany amin’ny 140ha ny velaran-tany voavoly vary efa taom-pambolena roa izao raha 42ha teo aloha.Tombony ho an’ireo lemaka roa ireo dia afaka mamboly vary in-droa isan-taona.

Fanamby lehibe napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fampitomboana ny velaran-tany hambolena hampitomboana ny vokatra indrindra ny vary.

Eo ihany koa ny tohana amin’ny fanomezana hanam-pamokarana mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo indrindra hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha.Ankoatra ireo dia maro ny zava-bitan’ny Fandaharanasa DEFIS sy ny mbola ho tanterahina ao anatin’ny Faritra Matsiatra Ambony indrindra ny fanaovana fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana.

#MINAE

#FIDA

#DEFIS

#FDA

Comments are closed.