DRAE MENABE-MINAE : Asa fanarenana ny Lemaka DabaraKaominina Bezezika, Analaiva sy Bemanonga distrika Mahabo sy Morondava faritra Menabe.

Tsy mitsaha-mikaroka fanatsarana sy fampiroboroboana ny seha-pamokarana ny fitondram-panjakana. Maro ireo foto-draditr’asa efa napetraka, misy ihany koa ireo efa tranaina noho ny asany, ka mila fanavaozana sy fanamboarana.

Nidina ifotony ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa Harifidy RAMILISON notronon’ireo delegasiona sy ny Minisitran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, mpiahy ny faritra, Andriamatoa André Haja RESAMPA.

Nanainga tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanarenana ny Fotodrafitr’asa lehibe izay nentin’ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny seha-pamokarana eto amin’ny faritra Menabe, ny 29 septambra 2023 tao amin’ny Kaominina Analaiva. Ny Lemaka Dabara no havokavok’i Menabe noho izy manondraka ny faritra iray manontolo. 5 miliara Ariary ny ampaham-bola efa eo am-pelatanana hanarenana ny Lemaka, izay vola nalaina amin’ny tao amin’ny kitam-bolam-panjakana raha toa ka mitontaly 23 miliara Ariary ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana na ny BAD.

Tokantrano miisa 1 200 no misitraka ny Lemaka. Velaran-tany mirefy 10 000 ha no tanimbary azo volena teo aloha, raha hiakatra ho 12 000 ha izany rehefa vita ny Asa fanarenana. Ny voka-bary kosa dia hiakatra ho 60 000T isan-taona raha 10 000T monja izany teo aloha.

Asa fanarenana nataon’ ny fitondram-panjakana laharampahamehana satria na tao anaty ny fahasimbana aza ny fotodrafitr’asa dia azo tsapain-tanana fa tsara ny voka-bary satria mbola mamatsy vary an’i Maintirano, Morombe ary Antsirabe ny faritra.

Nomarihina tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanombohana ny asa. Vahoaka maro no hisitrak mivantana ny Fotodrafitr’asa Dabara ary tsy ho asa vonjy maika intsony fa asa meteza ary ho lovainjafy. Tsy ho nofinofy intsony ny hiverenan’ny ranon’i Dabara, tsy ho lavo intsony Dabara ary hiroborobo ny faritra Menabe.

Nisy arak’izany ny fizarana ireo karatry ny mpamokatra narahana masomboly vary Sebota 281, ho an’ireo mpisitraka miisa 63. Mba hiompy hahavanona ary hamboly hahavokatra.

Retour

Comments are closed.