Lemaka voatondraka BEBOKA Faritra MELAKY hamokatra vary fanampiny 6.300T isan-toana aorinan’ny fahavitany.

Miroso hatrany ny asa fanamboarana ny tohodrano Beboka ao amin’ny Distrikan’Antsalova, Faritra Melaky. Ny 94% ny asa no efa vita ary kendrena ny ahavitana izany amin’ity taona ity.

Tonga nijery ifotony ny fizotran’ny asa ny delegasiona notarihin’ ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Harifidy RAMILISON niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isantokony tany an-toerana ny 30 septambra 2023.

Raha 50ha monja ny velaran-tany novolen’ireo mpamboly tao amin’ny lemaka Beboka nandritra ny taona maro noho ny tsy fahampian’ny rano manondraka ny lemaka dia ho afam-pasahiranana izy ireo atsy ho atsy amin’ny fahavitan’ny tohodrano niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa AD2M (Tetikasa ho Fampandrosoana ny Faritra Menabe sy Melaky) izay vatsian’ny FIDA vola.

📈

Afaka manondraka velaran-tany hatrany amin’ny 1.600ha amin’ny taom-pamokarana ary 500ha amin’ny voly avotra ny tohodrano.

DCIM\100MEDIA\DJI_0986.JPG

Kendrena hampiakatra vary akotry fanampiny hatrany amin’ny 6.300 taonina isan-taona ny tohodrano.

👩‍🌾

Tantsaha mpamboly maherin’ny 1.000 no hisitraka ny foto-drafitrasa izay ahitana fikambanan’ny mpampiasa rano AUE miisa 4 sy Federasiona iray.

💪

Velom-bolo araka izany ireo tantsaha mpamboly.

Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty amin’ny Faritra Melaky izao ezaka izao.

#MINAE

#fida

#AD2M

Comments are closed.