Tetikasa « titre vert » Faritra Analamanga : Natolotra ho an’ireo tanora hisehatra ao anatin’ny famokarana ny tany sy ny trano

Fandaharanasa lehibe eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny tetikasa « titre vert », drafitra hampisongadinana ny Firenena, izay atao laharam-pahamehana satria dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary ihany koa ny fampananan’asa ireo tanora

Voapetraka ary natolotra tamin’ny fomba ofisialy,  ny 27 septambra 2023, tao amin’ny kaominina Fihaonana, Distrika Ankazobe,  ny tetikasa « titre vert » ho an’ny Faritra Analamanga. Tanora miisa 49 no hitrandraka velaran-tany 49 Ha, hisehatra anatin’ny fihariana fambolena (tsaramaso, voanjombory, vary an-tanety)  sy  fiompiana. Ny 41% amin’ireo tanora dia vehivavy ary ny 59% lehilahy, mbola ezahina ny hanapariahana izany any amin’ny distrika miisa 7.

Nisy ny fampiofanana ireo tanora ; ny fitantanana ny famokarana ; ny fanorenana ny trano fonenana ; ny fanamboarana fitarihan-drano ; fampidirana rano fisotro madio ; fanamboarana lavadrano. Mbola nitohy ny tantsoroka tamin’ny alalan’ny fanomezana hanam-pamokarana (masomboly, zezika) ary fitaovana entin’izy ireo manomboka amin’ny asa fihariany.

«Zava-dehibe ny fampiasana sy ny fitrandrahana ny tany, ho an’ny famokarana mahomby satria harena izany, hitsinjovana ny taranaka faraman-dimby », hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RAMILISON Harifidy. Fitaovana hoentina mampiroborobo ny famokarana ireo tanora izay hisitraka ny tany ireo. Amin’izany dia ho lasa modely ny tetikasa « titre vert » satria hampiasa ny haitao amin’ny famokarana.

Paikady lehibe hampitomboana ny vokatra eto Madagasikara, noho izany, ny fametrahana ny « titre vert », hahafahana mamatsy sakafo ireo Firenena manodidina ary ho sangany amin’ny famokarana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Marihina fa manodidina ny 3000 ha eo no tanjona ao anatin’ny faritra 23.

Aorian’ny telo taona hampiasan’ireo tanora ny tany dia hisoratra amin’izy ireo izany ho fiarovana ny fitrandrahany ka hanohizany ny asa famokarany.

Marihina fa hisy fanaraha-maso ny tohana rehetra, ka nanentana ny amin’ny fikojakojana ny fotodrafitrasa sy ny tohana nomena ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, fiaraha-miasa amin’ny OIT, FDA ary ny FIDA.

Comments are closed.