FEPA andiany faha15 : Ny fandraharahana ara-pamokarana no fototry ny asa

Miha mivoatra hatrany ny haitao ara-pamokarana ankehitriny, mbola malalaka ny tsena ary maro ny filàna ara-pamokarana. Misy araka izany ny FEPA na ny Tsenaben’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, andiany faha 15, hetsika ho famporisihina ny tanora handraharaha ao anatin’ny famokarana na « agribusiness ». Fitaovana ho fanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, amin’ny alalan’ny fampirantiana ara-barotra ireo vokatry ny tantsaha sy ny mpiompy, eo ihany koa ny mpanodina ny vokatra, ny FEPA.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 septambra 2023, teny Nanisana ka ny MPE no nikarakara ny hetsika izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, tohanan’ny FEL sy ny LFL vola.

Hihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana amin’ny fanampiana ireo mpamokatra indrindra ireo mpiompy mba ho matihanina hatrany. Eo amin’ny famokarana katsaka izay isan’ny miantoka ny sakafon’ny biby ohatra dia efa atao laharam-pahamehana ny hamokarana betsaka izany, mamaly ny filàna eto an-toerana aloha, hoy ny nambaran’ny Sefo kabinetran’ny MINAE miandraikitra ny Fiompiana, RAKOTO Jean Michel. Efa misy ny paikady sy ny ezaka ataon’ny Ministera tamin’ny fanohanana ireo mpisehatra.

Marihina fa ny MPE dia sangany amin’ny fampiofanana ny mpiompy manerana an’i Madagasikara, izay efa matihanina ankehitriny, mampivoatra hatrany ny fiompiana. Nisy ny fanentanana amin’ny fihinanana ny vokatry ny fiompiana, izay miantoka ny fanjarian-tsakafon’ny Malagasy.

« Fanoitra ho an’ny fandraharahana ara-pamokarana tokoa ny FEPA andiany faha 15 satria maro ny soa fanararaotra mandritry ny hetsika»

#MPE

#MINAE

#Elevage

#FEPA

Comments are closed.