Fampanarahana toetr’andro ny lalàna mifehy ny fiompiana eto Madagasikara

Anisan’ny miantoka feno ny fanatràrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay velirano faha-9n’ny Filoha Andry RAJOELINA ny fiompiana eto Madagasikara. Tsapa ankehitriny fa efa miroborobo ny ara-teknika sy ara-teknolojian’ny fiompiana ary hita fa misy sehatr’asa maro tsy voasahan’ity lalàna ity. Ilaina araka izanyny  mampifanaraka ny lalàna mifehy ny fiompiana amin’ny toetr’andro satria miankina amin’ny lalàna avokoa no hahafahana misehatra bebe kokoa sy mampiroborobo izany seha-pihariana izany.

Nisy ny atrikasa notanterahin’ny mpisehatra rehetra voakasiky ny sehatry ny fiompiana ny 06 sy ny 07 jona 2023, tao Miarinarivo faritra Itasy, izay teo ambany fitarihan’ny MINAE tamin’ny alalàn’ny Service de la Législation et des études/ DAJC, ary notohanan’ny Vondrona Eropeanina ara-bola, ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa RINDRA. Atrikasa nikaonan-doha sy nanomezana tolo-kevitra ho fampifanarahana amin’ny toetr’andro ny lalàna mifehy ny fiompiana 2006-030 tamin’ny 24 novambra 2006. Ny taona 2006 araka izany no nisy farany  ny fanaovaozana sy fampanarahana amin’ny toetr’andro izany lalàna izany.

Ity lalàna ity, izay ahitana lohateny lehibe 9, toko 12 ary andininy 97 dia mamaritra ny fepetra ankapobeny natokana hanatsarana ny lafin’ny famokarana ny biby, ny fitandrovana sy fanatsaràna ny taranaka biolojika nasionaly, ny fiarovana ny fahasalaman’ny biby sy ny fanaraha-maso ny fahasalamany ary ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra.

Nanamafy Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fiompiana, LEZOMA Tsiry Andriamahatola, nandritry ny fotoana fa « tena ilaina ny fampanarahana amin’ny toetr’andro ny lalàna mifehy ny fiompiana, jerena ifotony ny lalàna hahafahana mamoaka ny lesoka, ny tokony ahitsy ary ny tokony ampiana hirosoana amin’ny fiompiana moderina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ».

Aorian’izao dia hiroso amin’ny famolavolana ireo tolo-kevitra voaray, izay hiarahana miasa amin’ireo Minisitera hafa voakasika, mialohan’ny hanolorana ny tolo-dalana eny anivon’ny Anteinimiera .

———————————————————–

MISE A JOUR DE LA LOI SUR L’ELEVAGE

Le secteur élevage contribue à la sécurité alimentaire et à l’atteinte de l’autosuffisance alimentaire à Madagascar, Velirano 9 du PRM Andry RAJOELINA. Or, compte tenu des avancées techniques et technologiques dans le domaine de l’élevage, la loi actuelle sur l’élevage qui date de 2006 fait face à des vides juridiques et n’arrive plus à cerner certaines activités dans ledit secteur.

De ce fait, la mise à jour de la loi sur l’élevage s’avère nécessaire vu que le développement du secteur élevage dépend complètement de l’application de ces lois.

Un atelier relatif à la mise à jour de la loi 2006-030 du 24 novembre 2023, régissant le secteur élevage s’est tenu le 06 et 07 juin 2023 à Miarinarivo, région Itasy, organisé par le MINAE à travers le Service de la Législation et des études/ DAJC, et financé par l’Union Européenne dans le cadre de la mise en œuvre du Programme RINDRA.

Cette présente loi, constituée de 9 titres, composés de 12 chapitres et de 97 articles institue le cadre général des mesures destinées à favoriser la production des animaux, préserver et améliorer le patrimoine biologique nationale, protéger la santé des animaux ainsi que la santé publique vétérinaire, et développer les échanges commerciaux.

Le Directeur Général de l’Elevage, LEZOMA Tsiry Andriamahatola a souligné que « la mise à jour de la loi sur l’élevage, à travers l’évaluation et le diagnostic de cette loi s’avère très important, en identifiant les lacunes, les propositions d’articles à rajouter afin d’accomplir le défis d’accélérer l’atteinte de l’émergence du secteur agricole moderne et conformant aux normes internationales.

Retour

Comments are closed.