TSY TOKONY HISY NY AHIAHY MAHAKASIKA NY FEO MIELY AMIN’NY FISIAN’NY « FORMOL » AMIN’NY HENOMBY

Manoloana ny feo mahakasika ny fisian’ny «formol » amin’ny henomby amidy eny an-tsena, dia nanamafy ny teo anivon’ny MINAE, ny dokotera veterinera, ny tompon’andraikitry ny abatoara, ary ny solontenan’ny mpivarokena fa tsy mitombina ny fielezan’izany feo izany, nandritry ny fidinana ifotony, izay notarihin’i Atoa LEZOMA Tsiry, Tale Jeneralin’ny Fiompiana, teny amin’ny abatoara Ampasika, ny Alakamisy 11 mey 2023.

Nanamafy ny tompon’andraikitry ny abatoara sy ny mpivarokena fa manaraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ny henomby izay mivoaka eo amin’ny abatoara. Hena salama sy madio, voamarina vita fitomboka ary voarakitra anaty «carnet de contrôle » no amidy eny amin’ ny tsena.

Nomarian’ ny tompon’andraikitra avy ao amin’ ny MINAE fa hatramin’izay dia efa mipetraka foana ny lalàna mifehy ny fanaraha-mason’ny ny fahasalaman’ny biby, izay miatomboka amin’ny omby ho vonoina ho eny amin’ny abatoara ka hatrany anivon’ny tsena. Amin’izany dia azo antoka fa ara-dalàna ny lalan’ny omby sy ny henomby iray satria andraisan’ireo amabaratonga isan-tsokajiny andraikitra anjara amin’ny fanaraha-maso.

Efa misy moa ny fitiliana ireo singa milaza tamin’izay fiahiana amin’ny henomby hoe misy formol izay, ka mbola miandry ny valiny

Comments are closed.