FANAOVAN-TSONIA FIFANEKEM-PIARAHA-MIASA EO AMIN’NY AD2M/FNF/FTM

Anisan’ny fototra iray maha marin-toerana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary lalana hahatrarana ny VELIRANO faha 9 ny Fahavitan-tena ara-tsakafo ny maha ara-dàlana ny tany ho entina mamokatra. Mila milamin-tsaina sy manana taratasy ara-dalàna toy ny KARATANY ny tantsaha mba hahafan’izy ireo mamokatra bebe kokoa.

Nanao ezaka lehibe ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fampahazahoana ireo anton-taratasy mahakasika ny tany amin’ny olom-pirenena tsirairay avy. Nisy ny fametrahana sy fanaparitahana ireny Birao Ifoton’ny Fanana-tany eny anivon’ireo Kaominina manerana an’i Madagasikara ireny.

Ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana dia manao ho vaindohan-draharaha ihany koa ny hahazoan’ireo tantsaha Malagasy ny taratasin-tany ho azy ireo, amin’ny alalan’ireo tetikasa maro eo ambany fiahiany toy ny CASEF, AD2M…

Ny tetikasa AD2M izay vatsian’y FIDA vola dia misehatra mivantana amin’izay fananan-tany izay ao amin’ireo faritra izay hiasany dia ny Faritra Menabe sy Faritra Melaky. Anisan’ny asa tohanany sy hiaraha-miasa amin’ireo Kaominina ny fananganana ny Birao Ifoton’ny fananan-tany na BIF, ny fametrahana ireo rafitra mitantana sy miasa ao amin’ny BIF, ny fampitaovana, ny famoahana ny KARATANY.

Fitaovana voalohany entin’ireo BIF miasa ny antsoina hoe « PLOF » na « Plan Local d’occupation Foncière ». Misy ireo Kaominina izay efa nanana azy io ary maro ihany koa ireo mbola tsy nanana.

Taorian’ny fahazahoana ireo Sarintany avy amin’ny Zanabolana « Image satellitaire » ho an’ny faritra 23 eto Madagasikara dia misy ny fikarakana izay tsy maintsy hatao mba ho azo ampiasaina sy ho lasa PLOF izy ireny. Isany amin’izany ny fametrahana ireo « Point Géodésique » isam-paritra izay anton’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa AD2M, ny FNF ary ny FTM.Voarakitra anatin’izao fiarahamiasa izao ny fametrahana ireo « Point Géodésique » miisa fito (07) ao anatin’ny faritra Menabe, Melaky, Atsimo-Andrefana, Atsimo-Atsinanana, Ihorombe, Vatovavy ary Fitovinany.

Ny tetikasa AD2M, izay vatsian’ny FIDA vola no manohana ara-bola ny fametrahana ity « point Géodésique » mitentina 205 602 450 Ariary ; ny FTM kosa no hametraka azy raha toa ka ny FNF no hanao ny fandrindrana ankapobeny sy hanaramaso ny fametrahana azy ireny.

Notanterahina ny zoma 10 février 2023 ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ ny AD2M/FNF/FTM.

Retour

Comments are closed.