MINAE- STOI- YUAN’S : TOLO-TANANA HOAN’IREO TRABOINA ANY AMIN’NY FARITRA AVARATRA

Tao aorinan’ny fandalovan’ny rivodoza CHENESO nitranga izay nanimba fambolena tamina velaran-tany maro dia nandray an-tanana ny sehatra tsy miankina STOI sy ny YUAN’S. Nisy ny fanolorana vary safiotra 5 T sy zezika biolozika 5 T ho an’ny Minisiteran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana. Hetsika tolo-tanana ho fanampiana sy fanohanana ireo tantsaha mpamokatra nieren-doza.Ny Alakamisy 09 febroary 2023 no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy izany teo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Izao hetsika izao dia hanamafisana ny firaha-miasan’ ny Fanjakana Malagasy amin’ ny sehatra tsy miankina. Homena tombony manokana ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ ny faritra Maroantsetra sy ireo ao amin’ny faritra avaratra hafa izay anisan’ny nandalovan’ny rivo-doza ary ao anatin’ ny fanomanana ny taom-pamokarana amin’izao fotoana izao.

Zava dehibe tokoa ny fanohanana ny tantsaha amin’izao fotoan-tsarotra izao ahafahan’izy ireo manarina sy manohy ny asa fivelomany. Nomarihana tamin’ny fizarana ny hanam-pamokarana satria « ny fampiasana zezika bilojika dia mampiakatra ny taham-bokatra sy fitandrovana ny nofon’ ny tany », hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RAMILISON Harifidy.

Nandritra ny fanolorana ireo zezika dia nisaotra ny fiaraha-mientan’ ny orinasa STOI ihany koa Andriamatoa Ministra. Ny STOI moa dia anisan’ ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ ny fampiroboroboana ny famokarana indrindra eo amin’ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra, ny fanapariahana ny zezika natoraly ary ny famatsiana hanam-pamokarana ho an’ ireo tantsaha any amin’ ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana izay nandalovan’ ny rivo-doza maro ihany koa.

Ao anatin’ ny politikan’ny fampiroboroboana sy fanampariahana ihany koa ny vary safiotra eto Madagascar izao hetsika izao, ezaka ho fampitomboana ny tahan’ny famokaram-bary satria raha 3taonina/ha izany dia hiakatra 8 hatramin’ny 12 taonina amin’ny fampiasana ny vary safiotra.

Retour

Comments are closed.