HO AMPIDIRINA AO ANATIN’IREO SEHATRY NY FAMOKARANA ETO MADAGASIKARA NY LAFIN’NY HARENA VOAJANAHARY

Notanterahina ny 16 janoary 2023  tetsy Anosy ny fanaovan-tsonia  ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), izay hiara- hisala amin’ny  Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (MEDD), ary ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny famokarana (FAO), mikasika ny tetikasa vaovao «Intégration de la biodiversité dans les secteurs agricoles » mikendry ny fanamorana ny fandrafetana  politika mahafaobe hiadiana amin’ireo fomba fanao mitarika ny fahasimban’ny harena voajanahary, ary hamerina izany amin’ny laoniny.

Eo anivon’ny firenena Malagasy dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 9 : ny fahavitan-tena ara-tsakafo, sy ny Velirano faha 10 : fitantanana maharitra sy miaro ireo harena voajanahary ny tetikasa. Eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena koa dia mandray anjara amin’ny fanatrarana ny vina 2050 an’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny fahasamihafana ara-biolojika ny tetikasa.

Inona no antony hampidirina ny harena voajanahary  ao anatin’ny sehatry ny famokarana?

80%’ny mponina eto Madagasikara dia miaina any ambanivohitra, ary mivelona amin’ny alalan’ny famokarana  avy amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono. Hita anefa ankehitriny fa mirona mankany amin’ny teknikam-pambolena tsy mahavokatra sy manimba ny tontolo iainana toy ny fanaovana Tavy ny ankamaroan’ny mpamboly.  

Vokany : mihavery ny harena voajanaharin’i Madagasikara, satria mihakely ny vokatra noho ireo teknika ireo, nefa mihasimba hatrany ny tontolo iainana etsy andaniny. Manampy trotraka izany ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miaina ao anatin’ny tsy fahampiana sy tsy fanjariana ara-tsakafo ny ankamaroan’ny mponina. Marihina anefa fa raha ny harena voajanahary no resahina dia 85% ny tahan’ny “endémisme”ny biby tsy fahita hatraiza hatraiza, raha 90% kosa izany ho an’ny zava-maniry eto Madagasikara. 

« Mila havaozina ireo teknikam-pamokarana sy ny politika efa misy eo anivon’ny faritra sy ny firenena maharitra, hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana nandritra ny lahateniny. Ny fiheverana ny harena voajanahary dia midika fiheverena ny fampandrosoana »,  hoy ihany koa ny nambarany.

Ahoana no hananterahana izany ?

Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa momba ny  Mekanisma Mpiara-miombon’antoka marolafy miara-miasa (FMM) izay mihevitra sy mampiditra indrindra ny harena voajanahary ao anatin’ireo sehatra rehetra tandrify ny fambolena. Manoloana izany, dia mitondra ny tantsoroka ara-teknika ho an’ny governemanta Malagasy ny FAO, mba ahafahana mampivelatra sy manavao ireo paikady, politika sy fomba fanao mifandraika amin’ny famokarana eo anivon’ny faritra sy ny firenena.

Ny asa rehetra ho tanterahana ao anatin’izany dia mirona mankany amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana, ny famaliana ny filàna, ny fanajana ny lalàna sy ny politika nasionaly sy isam-paritra, ary ny lasitra fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ ny governemantan’I Madagasikara sy ny FAO (CPP).Miara-dalana  amin’izany koa ny fanajana ireo fifanarahana iraisam-pirenena misy toy ny Fifanarahana tany Rio izay nankatoavina eto Madagasikara

Ankoatra izay, dia hisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy traikefa amin’ireo mpiray sehatra sy mpiara-miombon’antoka, mba hizarana ireo fomba fanao tsara tokony hampiharina sy ny lesona azo tsoahina tao anatin’ny asa isan-karazany. Ao aorian’izay fifanakalozana izay dia hisy ny tondrozotra ho rafetina entina hampifandraisana ny politika nasionaly momba ny harena voajanahary sy ny sehatry ny famokarana amin’ny fifanarahana izay tafiidtra anatin’ny Fifanarahana Rio.

Intégrer la biodiversité dans le secteur agricole à Madagascar

Antananarivo, 16 janvier 2023 – le Ministère de l’agriculture et de l’élevage (MINAE), en partenariat avec le Ministère de l’environnement et du développement durable (MEDD), signe ce jour, avec l’Organisation des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture (FAO), Le projet  Intégration de la biodiversité dans les secteurs agricoles un projet visant à catalyser l’élaboration de politiques intégrées pour lutter contre les moteurs de la perte de biodiversité, et à la restaurer.

Le projet est cadré sur le plan national par les engagements du Président de la République de Madagascar qui sont Le Velirano 9 visant l’autosuffisance alimentaire et le Velirano 10 se portant sur la bonne gestion de nos ressources naturelles et sur le plan international par la vision 2050 de la Convention des Nations Unies sur la diversité biologique

Pourquoi intégrer la biodiversité dans les secteurs agricoles ?

A Madagascar, près de 80% de la population vit en milieu rural aux dépens des secteurs agricoles en quasi-totalité. Cependant, le choix des agriculteurs se tourne le plus souvent vers des activités d’autoproduction et des pratiques itinérantes à faible rendement et peu diversifiées.  Au fur et à mesure que le pays perd de sa richesse en biodiversité, les rendements agricoles sont en baisse et l’environnement se dégrade de plus en plus. Par ailleurs Le changement climatique s’accentue également, et l’insécurité alimentaire, ainsi que la malnutrition sous toutes ses formes s’installent.

Si on se réfère à la biodiversité  à Madagascar, aujourd’hui le taux d’endémisme se situe à 85% pour la faune, et à 90% pour la flore.L’objectif est d’innover dans les pratiques et les politiques mises en place à tous les niveaux. Investir dans la biodiversité signifie investir dans la durabilité. En effet il est important de rappeler qu’étant un pays à vocation agricole, Madagascar se doit d’observer et d’adopter les pratiques agriculturales qui soient en harmonie avec le respect de l’environnement et de la biodiversité a souligné le ministre.

Comment procéder ?

Le projet constitue un sous-programme du Mécanisme Flexible Multipartenaire (FMM) visant à « Intégrer la biodiversité dans tous les secteurs de l’agriculture ». Pour ce faire, le gouvernement de Madagascar, à travers le MINAE et le MEDD, sera assisté techniquement par la FAO pour développer et mettre à jour les stratégies, les politiques et les pratiques à l’échelle régionale et nationale relatives aux activités de conservation de la biodiversité en lien avec les secteurs de l’agriculture.

Les travaux seront orientés suivant les priorités, les besoins, les réglementations et les politiques nationales et régionales ainsi que le cadre de programmation par pays (CPP) convenu entre le gouvernement malagasy et la FAO. Le projet FMM fournit un cadre global pour renforcer l’intégration de la biodiversité dans les secteurs agricoles en tenant compte des engagements dans les Conventions de Rio et des autres engagements pris au niveau international.

Le partage de connaissances entre les acteurs impliqués dans le secteur agricole et environnement, à travers une approche participative dans le cadre des séances d’échanges et des forums, sera au cœur de la démarche afin de promouvoir les bonnes pratiques et les leçons apprises à travers les différentes activités. A l’issue d’un processus de consultation multipartite, des feuilles de route seront élaborées afin de pouvoir aligner les politiques nationales relatives à la biodiversité et aux secteurs agricoles, avec les engagements pris dans le cadre des Conventions de Rio.

Retour

Comments are closed.