PEJAA I andiany fahatelo : tanora mpandraharaha ara-pamokarana miisa 134, no navoaka tamin’ny fomba ofisialy

Miisa 134 ny tanora mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny famokarana nahavita fiofanana

Taorian’ny fikotrehana izay natao an’ireo tanora voasafidy hisitraka ny tohana avy amin’ny Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage amin’ny alalan’ny PEJAA 1, izay vatsian’ny BAD vola, tohanan’ny ITTA ara-teknika ary hiaraha-miasa amin’ny USAID Hay Tao; dia tanora mpandraharaha ara-pamoakarana miisa 134 indray no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, tao Analamalotra Toamasina, ny 19 desambra 2022, andiany fahatelo. Fotoana izay notarihin’Andriamatoa Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana RAMILISON Harifidy, niaraka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana RAHARINOMENA Fanja sy ny mpiara-dia aminy, ny solon-tena maharitry ny USAID Hay Tao, ny Governoran’ny faritra Atsinanana, ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny avy ao an-toerana.

Nifanindran-dalana tamin’izany ihany koa ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpanomana sy mpikirakira lavanila miisa 20 sy ny solon-tenan’ny mpiofana tao amin’ny EFTA Analamalotra.

Tanjona lehibe amin’ny fanofanana ny tanora ao amin’ny PEJAA ny fanenàna ny tsy fanànan’asa eo amin’ny tanora amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny toe-tsaina mpandraharaha sy ny fampiroboroboana seha-pamokarana maro lafy, hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nokotrehina nandritry ny 11 volana izy ireo ary efa ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasany ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Seha-pihariana maro toy ny ronono, ny katsaka, ny fiompiana haingam-piodina toy ny trondro sy akoho, ny tantely, ny fanodinana voankazo, ny hanam-pamokarana, ny épice no sehatra ampiroboroboan’izy ireo ao anatin’izany.

Nanentana ireo tanora ny Minisitra nandritry ny fotoana ho sahy hijoro sy vonona ary ho modely hitondra fanavaozana ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Fitsidihana ny ivon-toeram-pikotrehana EFTA Analamalotra

Ny 19 desambra 2022 dia nisy ny fitsidihan’Andriamatoa Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana sy ireo mpiara-dia aminy ny Ivon-toeram-pikotrehan’ny PEJAA ireo tanora mpandraharaha ara-pamokarana, ao Analamalotra. Foto-drafitrasa lehibe izay naorina tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny BAD sy ny USAID Hay Tao hahafahan’ireo tanora manatanteraka ny tetikasany antsakany sy an-davany.

Ny ivon-toeram-pikotrehana dia ahitana efitrano fiofanana lehibe miisa 2, trano fivoriana, efitra natao fihaonana amin’ireo mpandraharaha maniry hiara-hiasa amin’ireo tanora amin’ny fividianana ny vokatra, toerana fitaizana zaza, toerana fikarakarana lavanila sy fanodinana voankazo, toerana fidiovana, ka ireo dia efa samy misy fitaovana mifandraika aminy avokoa ao anatiny. Misy ihany koa ny vala fakantahaka fambolena lavanila napetraka ao an-toerana hahafahan’ireo tanora manao ny fampiarana amin’ny fomba fikarakarana sy fambolena lavanila mifanaraka amin’ny filàna takian’ny tsena.

Nohon’ny fisian’ity foto-drafitr’asa lehibe ity dia antenaina fa hiroborobo ny asan’ireo tanora ary hitondra fampandrosoana feno amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampiroboroboana ny famokarana izy ireo.

——————————————————-

PEJAA1, 3ème promotion : 134 jeunes agripreneurs, 20 PPV et des techniciens supérieurs du centre de formation EFTA Analamalotra sortis officiellement.

134 jeunes agripreneurs incubés

Après l’incubation des jeunes sélectionnés pour bénéficier l’appui du MINAE à travers le programme PEJAA 1, qui est un projet financé par le BAD, appuyé techniquement par l’ITTA et en collaboration avec le projet USAID Hay Tao, 134 jeunes agripreneurs, la 3ème promotion, ont reçu officiellement leurs certificats de fin de formation à Analamalotra Toamasina, le 19 décembre 2022.

La cérémonie de sortie de cette promotion a été honorée par la présence du Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage Harifidy RAMILISON et Madame le Secrétaire Général du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage Fanja RAHARINOMENA, avec leurs délégations, la Représentante Résident du projet USAID Hay Tao à Madagascar, le Gouverneur de la région Atsinanana ainsi que les différentes autorités locales.

Parallèlement à cet évènement,  20 PPV et des techniciens supérieurs sortants de l’EFTA Analamalotra sont également sortis officiellement.

L’objectif principal de la formation des jeunes au sein du programme PEJAA est de réduire le taux de chômage des jeunes en promouvant la culture entrepreneuriale et en développant de nombreuses filières, afin d’atteindre l’autosuffisance alimentaire.

Ces jeunes ont été incubés pendant 11 mois au niveau des 3 centres (FIFAMANOR Antsirabe, EFTA Analamalotra et SEFAFI Vohipeno) et ils sont actuellement en train de réaliser leurs projets, en développant la filière lait, maïs, élevage à cycle court, le miel, la transformation des fruits, les intrants agricoles, les épices.

Le Ministre a encouragé les jeunes à être des modèles et apporter des réformes pour le développement du monde rural.

Visite au centre d’incubation EFTA à Analamalotra

Le 19 décembre 2022 également, le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage et ses délégations ont visité le centre d’incubation EFTA Analamalotra du programme PEJAA. Un projet d’envergure qui a été construit grâce aux financements de la BAD et de l’USAID Hay Tao, et permettant aux jeunes de bien réaliser leurs projets.

Le centre d’incubation constitué 2 grandes salles de formation, des salles de réunion, un coworking, une crèche, une salle de préparation de la vanille, une salle pour la transformation  des fruits, des toilettes ; et tous cela se sont bien équipés. Le centre dispose aussi d’un site modèle de plantation de vanille qui a été installée au sein du centre afin que les jeunes puissent apprendre à entretenir et cultiver la vanille en fonction des besoins du marché.

Du fait de l’existence de ce centre, il est à espérer que les activités des jeunes vont se développer et qu’ils apporteront leurs expériences pour le développement du milieu rural et à la promotion de la production agricole.

Retour

Comments are closed.