NIAMPY 8 NY “INSPECTEURS ET CONTRÔLEURS SEMENCIERS”

12 Desambra 2022. Nanantanteraka ny fianianany tao amin’ny efitranon’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy ireo « Inspecteurs et Contrôleurs semenciers » miisa 8 hoan’ny faritra 3 dia Atsimo Atsinanana, Androy ary Anosy. Fiaraha-miasa teo amin’ny Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, tamin’ny alalan’ny SOC na Service Officiel de Contrôle des semences et matériel végétal, sy ny Fandaharanasa AFAFI_Sud izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola.

Taorian’ny fiofanana maro nifanesy narahina fampiharana izay nomen’ny SOC ka nanaovana fitsapam-pahaizana nandrefesana ny fifehezana io sehatra io no namoahana azy 08 mianadahy ireo. Notolorana fanamarinam-pahaizana izy ireo ary nisy ny fampitaovana avy amin’ny Fandaharanasa AFAFI Sud mba ahafahany manatanteraka asa avy hatrany. Anisan’izany ny fandrefesana hamandoana na humidectomètre, ny loupe sy ny réfractomètres miisa 04 avy isaky ny Faritra , ny fandajana marikitra na balance de précision 03 isaky ny faritra , niaraka amin’ny badges, gilets sy Casquettes ho azy valo ireo .

Ny hanatevenana ireo ekipan’ny SOC eny anivon’ny faritra eo amin’ny fitsirihana sy fanamarinana ny kalitaon’ny Masomboly no andraikitra ho sahanin’izy valo mianadahy ireto. Mbola andraikitr’izy ireo ihany koa ny mampahafantatra ireo Mpisehatra rehetra ny lalana mifehy ny masomboly.

CNEV 2023

Navoaka sy natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’io fotoana io ihany koa ny CNEV 2023 na « Catalogue National des Espèces et Variétés 2023 », rehefa nitondram-panavaozana sy fanitsiana. Voarakitra ao anatin’izany ny karazam-boly miisa 94, ka masomboly vary an-drano sy an-tanety miisa 26, katsaka iray ary voanjo iray izay antsoina hoe Donga no vaovao vao nampidirina ao amin’ny CNEV 2023. Marihina fa noho ny fiaraha-miombon’antok’ireo Tetikasa sy Fandaharan’asa eo anivon’ny MINAE dia efa nankatoavina sy noamarinina ny karazam-bary miisa 3 dia ny Mangafototra tamin’ny alalan’ny DEFIS, ny FY VARY 32 tamin’ny alalan’ny FY VARY ary ny Vaniala tamin’ny alalan’ny Africa Rice.

NOUVEAUX INSPECTEURS ET CONTROLEURS SEMENCIERS ONT PRÊTÉ SERMENT

8 nouveaux inspecteurs et contrôleurs de semences des régions Androy Anosy, et Atsimo Atsinana ont prêté serment au tribunal de première instance à Anosy ce lundi 12 décembre 2022. Cette prestation de serment a été rendu possible grâce à la collaboration du MINAE par le biais du SOC avec le Programme AFAFI Sud financé par l’ l’Union Européenne. Ces nouveaux inspecteurs et contrôleurs de semences ont suivi plusieurs séances de formations théoriques et pratiques et ont subi un test d’évaluation afin de mesurer les acquis et la maîtrise du domaine.

Pour que ces inspecteurs et contrôleurs de semence puissent exécuter leurs rôles et missions le programme AFAFI Sud leur a fait don de matériels d’analyse et d’équipements comme l’humidimètre, sondes coniques, balances de précision, des gilets ainsi que des casquettes.Les huit nouveaux inspecteurs et contrôleur vont étoffer l’équipe d SOC dans les régions. Ils ont pour mission de vérifier et contrôler la qualité des semences et de veiller aux respects des législations et des règlementations sur les semences auprès des acteurs de la filière semences.

CNEV mis à jour

C’était légalement l’occasion pour le SOC de présenter officiellement le Catalogue National des Espèces et Variétés (CNVE) mis à jour. Cette nouvelle version contient 94 variétés et espèces dont 64 variétés de riz. Parmi ces 64 variété 26 ont été ajoutées telles que le FOFIFA 194/195/196, le Mangafototra, le Fy vary 32/85. le CNVE est un outil important pour les acteurs de la filière semence pour assurer la traçabilité et la qualité des semences utilisées .

Retour

Comments are closed.