02-04 novembre 2022. Fanjohina sy fijerena ny asa vitan’ny MINAE amin’ny alalan’ny tetikasa AD2M_II, ao amin’ny faritra Melaky

Nidina ifotony nijery ny fivoaran’ny asa sy ny asa efa vitan’ny tetikasa ao amin’ny faritra Melaky ny ekipan’ny CNP-AD2M II (Comité Nationale de Pilotage) sy ny CROS Melaky (Comité Régionale d’Orientation et de Suivi) ny 02-04 novambra 2022.

Fanamboarana foto-drafitrasa. Fotodrafitrasa lehibe miisa 3 no tanterahin’ny tetikasa ao amin’ny faritra Melaky, dia ny fanajariana ny lemaka voatondraka ao Marifilaly, ny ao Beboka ary ny ao Demoky. Manodidina ny 83%n’ny asa fanajariana ny lemaka voatondraka ao Marifilaly no vita ankehitriny, 63% kosa ny ao amin’ny lemak’i Beboka. Misy ihany koa ny fanamboarana lakandrano lehibe mifampiankina amin’ireo foto-drafitrasa ireo.

Velaran-tany manodidina ny 750 ha ho voatondrak’I Demoky aorian’ny asa fanajariana tapany voalohany, ary samy hanondraka 1600ha kosa ny ao Beboka sy Marifilaly.

Fampiroboroboana seha-pihariana. Tosika maro samihafa ihany koa no nomen’ny tetikasa AD2M ireo tantsaha mivondrona anaty Koperativa hahafahana mampiroborobo lalam-pihariana maro sy ho fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo ary indrindra hisian’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo.

Isan’ny lalam-pihariana nomena tosika ny Famokarana zana-kazo fihinam-boa ao Analamamoko, Kominina Betanatana. Hamerenana ny lazan’ny voasary ao an-toerana ary ihany koa ho an’I Maintirano manontolo dia famokarana voasary no nomena tosika misimisy kokoa. Ny taona 2021 dia niisa 13 461 ireo zana-kazo fihinam-boa voazara ary mpamboly miisa 1443 no nisitraka izany. Hita ankehitriny ny firoborobon’ireo zana-kazo voavoly ary antenaina ny hiatsaran’ny vokatra hoy ireo nahazo tohana.

Ny famokarana katsaka ihany koa dia lalam-pihariana notohanan’ny tetikasa, tamin’ny alalàn’ny fanohanana ny Koperativa FIOVANASOA, tao amin’ny kominina Mafaijijo. Ny taona 2022 dia miisa 8 ny CEP (Champ Ecole Paysan) vita tantsoroka, 160 ny mpahazo tombontsoa voakasik’izany, 156 ha ny velaran-tany vovavoly katsaka ary nahatratra 947 t ny vokatra lafo. Efa mivelatra amin’ny tsena manerana an’I Madagasikara ireo tantsaha ankehitriny amin’ny famarotana ny vokatra, ankoatran’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa SAHANALA, izay fanamorana nataon’ny tetikasa ihany koa.

Misy ihany koa ny fanohanan’ny AD2M ny koperativa MAMISOA mpiompy tantely ao Ankilimanarivo Matavirano Betanatana, ny Fikambanan’ny mpampiasa rano ao Demoky ary ny Fitandrovana ny fanan-tany.

Manodidina ny 645 litres ny vokatra tantely azo ny taona 2022, vokatry ny tohana nentina toy ny fanomezana tohon-tantely, ny extracteur, ny fanohanana ara-teknika, ny fandraisan’ireo mpikambana anaty koperativa anjara amin’ny foara.

Ho fampiakarana ny tahan’ny famokaram-bary sy ny voka-bary ao amin’ny kominina Betanana indray, dia mivondrona anaty Federasiona antsoina hoe AINA ireo tantsaha anaty Fikambanana mpampiasa rano.  Miisa 657 ireo tantsaha mpikambana anatin’ny federasoana ankehitriny (2022). Efa mahatratra 7000t ny vary akotry voaangona amin’izao fotoana izao.

Anisan’ny asa lehibe entin’ny tetikasa AD2M ho an’ireo tantsaha ao amin’ny faritry Melaky ihany koa ny fanampiana ny fiarovana ny zo fanan-tany.

Taorian’ny fanofanana ireo CRL (Comité de Reconnaissance Locale) na ny komity mpitsirika ifotony sy ny AGF (Agent Guichet Foncier) ary ny ACRIF (Agent du Centre de Ressource et d’Information Foncière) nataon’ny tetikasa dia miisa 1253 ankehitriny ny fangatahana voaray, 556 ny kara-tany voatonta.

Hita taratra hatreto fa mipaika mivantana amin’ireo tantsaha ny tohana entin’ny MINAE amin’ny alalan’ny AD2M andiany faharoa ary manampy be azy ireo ny tetikasa amin’ny fampiroboroboana ny seha-pamokarana.

Retour

Comments are closed.