« Festival des œufs » andiany voalohany : fanomezan-danja ny atody

Tontosaina ny 07, 08 ary 09 oktobra 2022 ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo ny fetin’ny atody na ny « Festival des œufs », andiany voalohany eto Madagasikara, hetsika izay karakarain’ny kominina Antanetibe Mahazaza miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny SMMEC, ny ARBIOCHEM, ny Telma, ny Terra Agri sy ny maro hafa.

Mbola ambany dia ambany ny tahan’ny fihinana atody eto Madagasikara raha mitaha amin’ireo firenena hafa, manodidina ny 20 isan-taona isan’olona izany, raha 120 atody isan’olona isan-taona ho an’ny nosy Maurice ohatra, manodidina ny 1220 atody isan’olona isan-taona kosa ny ao Frantsa.

Tanjona amin’ny fikarakarana ny « festival des œufs » araka izany  (1) ny hampiakarana ny tahan’ny fihinana atody eto Madagasikara, ary (2) ny hanomezan-danja ny atody eo amin’ny ara-tsakafon’ny tsirairay ary (3) ny hanampiana ireo mpiompy amin’ny famarotana ny vokatra. Manodidina ny 300 isa ny mpiompy ao amin’ny kominina Antantanetibe Mahazaza amin’izao fotoana, izay mivondrona anatina Koperativa antsoina hoe 2A.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana, Dr RAYMOND, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fiompiana (DGE) sy ny Tale tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Ministera (DAPA), ary ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny avy ao an-toerana.

Anisan’ny tohana hentin’ny fitndram-panjakana amin’ny alalan’ny MINAE hanampiana tosika ireo mpamokatra atody sahady, araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra lefitra misahana ny fiompiana, ny fametrahana ny « tranon’atody » ao an-toerana, natao hanangonana sy hivarotana ny atody ka ny koperativa ihany no mitantana izany. Eo ihany koa ny fananganana ny ozinina fanodinana ny atody vaky ho lasa vovony, hampihenana ny faty antoka eo amin’ireo mpiompy.

Zava-dehibe amin’ny fanjarian-tsakafo ny atody noho izy mitondra otrikaina maro toy ny proteina sy ny singa mineraly, koa amporisihana ny tsirairay araka izany hihina atody.

Retour

Comments are closed.