MINAE-PAM : Mifarimbona ho famongorana ny kere any Atsimo

Manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady amin’ny mponina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara, dia efa maro ny fepetra laharam-pahamehana noraisin’ny fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo tetikasa voafaritra ao anatin’ny « PEM Sud », miaraka amin’ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany toy ny PAM, ny FAO, ny UNICEF, ny GIZ, sns. Izany dia natao ho fanatsarana ny fisakafoana sy ny foto-piveloman’ireo mponina voakasiky ny kere, indrindra mandritra ny fotoan’ny hain-tany. Efa nisy ny fampidirana ireo teknikam-pambolena vaovao, ny fanapariahana ny karazana voly mahazaka ny toe-tany toy ny mil sy ny sorgho, ny fizarana hanapamokarana ; izany rehetra izany entina hanosehana ireo mpamboly hampiakarana ny taham-bokatra.

Ny Royaume Uni amin’ny alalan’ny PAM ihany koa dia nitondra tohana mitentina 2 millions de livres sterling, izany hoe manodidina ny 2.16 millions USD, hanampiana ny ara-tsakafon’ireo izay hita fa tena ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ka mponina manodidina ny 100 000 no hisitraka izany. Ny 04 oktobra 2022 no nanao ny fanambarana momba izany tohana entiny izany ny PAM, tao Ambatoroaka, izay natrehan’ny Ambasadaorin’ny Royaume Uni eto Madagasiakra, David Ashley, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON, ary ny Solon-tenan’ny PAM eto Madagasikara, Pasqualina Di Sirio.

Nanambara tamin’izany ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Harifidy RAMILISON fa « ny fampiaharana ireo teknolojiam-pamokarana vaovao sy ny fanapariahana ireo voly hafa mahazaka  ny toe-tany dia mitondra fanantenana ho an’ireo mponina ankehitriny. Azo lazaina ihany koa hoy izy fa efa an-dalam-pivahana ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo, ary ireo asa tanterahina amin’izany dia mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ».

 ————————————————————

UNE ETROITE COLLABORATION ENTRE LE MINAE ET LE PAM POUR ERADIQUER LE KERE DANS LE SUD

Face à la malnutrition et l’insécurité alimentaire qui touchent la population dans le Grand Sud de Madagascar, des mesures prioritaires ont été déjà prises par le Gouvernement malagasy, à travers les projets d’urgence PEM Sud, avec l’appui des différentes parties prenantes comme le le PAM, le FAO, l’UNICEF, le Giz, etc. Cela afin d’améliorer la nutrition et la survie de la population, notamment pendant la période de soudure, en introduisant des nouvelles techniques agricoles et des nouvelles variétés adaptés à savoir e sorgho et le mil, et en distribuant des intrants agricoles, visant à appuyer les producteurs à augmenter leurs productivité.

Le Royaume Uni via le Programme Alimentaire Mondial ou le PAM, apporte encore un soutien additionnel de 2 millions de livres sterling équivaut à peu près de 2.16 millions USD, en faveur des populations du Sud de Madagascar, qui permettra de fournir une assistance alimentaire à près de 100 000 personnes les plus affectées par l’insécurité. Ainsi, une séance de partage d’information autour de cet appui a été organisée ce 04 octobre 2022 au siège du PAM Ambatoroaka, en présence de l’Ambassadeur du Royaume Uni à Madagascar, David Ashley, du Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage Harifidy RAMILISON, et de la Représentante du PAM à Madagascar, Pasqualina Di Sirio.

« L’adoption des nouvelles technologies agricoles et la vulgarisation des nouvelles variétés donnent espoir à la population du grand Sud, actuellement. Et nous pouvons dire que la résolution du problème du kere dans le sud avance, convenablement aux activités de développement pour atteindre l’autosuffisance alimentaire », a exprimé le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage Harifidy RAMILISON lors de son allocution.

Retour

Comments are closed.