Tratra ny tanjona teo amin’ny Fandaharanasa PLAE IV

Fahombiazana no azo amehezana ny Fandaharanasa PLAE IV izay eo ambany fiahian’ny MINAE, famatsiam-bolan’ny Koperasionina Alemana KFW sy ny Governemanta Malagasy, nandritra ny 5 taona niasana tamin’ny faritra 4 teto Madagasikara dia Sofia, Amoron’I Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe.

Ho fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ho fampiroboroboana ny famokarana izay mamaly ny velirano fahasivy sy fahafolo dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy fandrakofana ala an’i Madagasikara, ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny PLAE IV dia miaro ny fikahon’ny riaka ny nofon-tany, manao fambolen-kazo, mampivondrona ny mpamboly hazo ary mampisitraka ny zon’izy ireo amin’ny fananan-tany.

Maro ny asa vita sy napetraky ny Fandaharanasa tany amin’ireo faritra niasany:

7700ha no velarab-tany  voavoly hazo nambolena raha 6000ha no tanjona .

1600ha no tany fambolena voaaro amin’ny fikahon’ny riaka

4600 tokantrano no mpahazo tombotsoa.

Nanatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha ny fisian’ny Fandaharanasa.

Ho fiarovana ny nofon-tany tsy hokahon’ny riaka dia namporisihana ny fambolena ny vetiver izay miteraka fidiram-bola ho an’ireo tantsaha satria ankoatra ny fiarovana ny nofon-tany dia azo atao sakafon’omby, azo anaovana asa tanana toy ny rary izay niteraka fidiram-bola ho an’ireo tantsaha.

Toa an-dRamaro izay nampitombo isa ny vetiver tamin’ny alalan’ny tanin-jana-kazo ka afaka nivarotra izany.

Ho fampaharetana ny asa vita dia fanamby ny fampaharetana ny fambolen-kazo sy ny fampitanan’ireo mpisitraka ny fahaiza-manaony ary ny fitohizan’ny fiaraha miasan’ireo sampan-daharaham-panjakana eny ifotony amin’ireo tantsaha.

Nisy ny fidinana ifotony narahana dinik’asa ankalamanjana niarahana tamin’ireo Ben’ny Tanana miisa 17 ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ho fanamarihana ny fiafaran’ny Fandaharanasa tao amin’ny faritra.

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy anio 6 Septambra 2022 tao Fianarantsoa ny Fandaharanasa PLAE IV ary fantatra fa mbola hitohy amin’ny andiany fahadimy sy fahaenina.

Retour

Comments are closed.