Antso ataon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an’ny fiangonana maniry hisehatra amin’ny tontolon’ny Fambolena eto Madagasikara.

Anisan’ny singa iray hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanitarana ny velaran-tany mamokatra. Mbola latsaky ny 35% anefa ny tany mamokatra voavoly eto Madagasikara. Arak’izany, manao antso ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an’ireo fiangonana kristianina manana tany ka maniry hisehatra amin’ny tontolon’ny fambolena eto Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa Sammifaly izay tetikasa ara-toekarena sy ara-tsosialy mikendry ny hisitrahan’ny mpiara-belona sakafo ampy sy ara-pahasalamana.

Ny MINAE no mampifandray ireo manana tany amin’ireo orinasa sy mpandraharaha vonona hiara hiasa sy hanome ny tohana ara-teknika ary manamora ny fahazoan’ny tantsaha tantsoroka. Hiroso ihany koa amin’ny fampiasana ny hai-tao ara-kajy mirindra (digitalisation) ny tetikasa ho fampihenana ny fotoana lany amin’ny fivezivezena, toy ny eo amin’ny fampiofanana ny tantsaha dia ho afaka hanararaka fiofanana any amin’ny toerana rehetra izay alehany izy ireo.

Efa nisy ny tetikasa andrana natao ary nahitana fahombiazana toy ny tetikasa Miharo raiky tany Toliara izay mamokatra amin’ny velaran-teny mirefy 500ha ary mamelona tokantrano miisa 250. Mahavelom-bolo satria efa mamokatra sy manome aina ireo faritra lavitr’andriana izay tany ngazana taloha ny tetikasa nefa mbola mila tolo-tanana sy ezaka maro na avy amin’ny olom-pirenena, na ny mpandraharaha na ny fiangonana ary ny andrim-panjakana ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Natao tao amin’ny Espace Sammifaly izay notokanana anio 3 Septambra 2022 ny lanonana fampahafantarana izany tetikasa izany natrehan’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Mpandrindra ny Hetsika Fampiraisana ny Kristiana eto amin’ny Firenena na HFKF, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Scrimad ary andriamatoa Faly RASAMIMANANA.

Retour

Comments are closed.