PLAE IV : Fanolorana titra sy hana-pamokarana ho an’ny mpisitraka ny fandaharanasa tao Anahidrano Antsohihy

Ao anatin’ny famaranana ny fandaharanasa PLAE IV, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary vatsian’ny Koperasiona Alemana KFW vola, dia Titra miisa 302 amin’ny 593 no nozaraina ho an’ireo mpisitraka ny fandaharanasa tao amin’ny kominina Anahidrano faritra Sofia ny16 aogositra 2022, izay notarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Harifidy RAMILISON. Ny 291 titra ambiny dia hozaraina ny volana Septambra ho avy izao. Nisy ihany koa ny fizarana hana-pamokarana toy ny vary, katsaka, black eyes ho an’ireo tantsaha ao amin’ny faritra niaraka tamin’izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny MINAE, ny MATSF , ny MEDD miaraka amin’ny faritra SOFIA.

Ny fanolorana ireo titra sy ny hanapamokarana dia natao (1) ho fiarovana ny zon’ireo tantsaha eo amin’ny tany voleny hazo, (2) Ho fiarovana ny tany famokarana amin’ny fikahon’ny riaka

Ary (3) Ho fahavitan-tena ara-tsakafo sy hanatsarana ny fidiram-bola.

Nanomboka ny taona 2018 dia Velaran-tany 6700 ha no voavoly hazo tao anatin’ny kominina 35 ao amin’ny faritra 4 iasan’ny PLAE IV dia Sofia, Amoron’I Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. 1300 ha ny tanim-bary voaaro amin’ny atsanga, 2800 ha ny velaran-tany voavoly hazo voaaro ary 207 ny vondrona mpamboly hazo voatsangana.

Ho an’ny faritra Sofia manokana, dia miisa 3100 ha ny hazo voavoly, 1300 ha ny tanimbary voaro amin’ny atsanga, 1315 ha ny velaran-tany voavoly hazo voaaro

Tonga nanontrona ny fotoana ny Governoran’ny Faritra Sofia, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Antsohihy sy Bealalana, ny Prefetn’ny Antsohihy, ny Talen’ny fanajariana ny tany izay nisolo tena ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, ny solontenan’ireo Ben’ny tanàna ao amin’ireo Kominina mpahazo tombontsoa ary ireo Talem-paritra isan-tsokajiny.

Hofaranana amin’ny fomba ofisialy, amin’ny alalan’ny atrikasa izay atao ao Antsohihy ny 20 aogositra 2022 ny fandaharanasa PLAE IV.

PLAE IV : remise d’intrants agricoles et des titres aux bénéficiaires du programme à Anahidrano Antsohihy

Le PLAE entame sa dernière année pour la phase IV, dans le cadre de sa mise en œuvre. Dans cette phase, le programme vise à contribuer de façon durable à l’approvisionnement des ménages urbains et ruraux en bois/charbon de bois, à la protection des sites agricoles contre l’érosion, à l’augmentation des revenus des groupes cibles et à la réduction des pressions sur les forêts naturelles.

Ainsi, 302 titres fonciers sur 93 ont été distribués pour les bénéficiaires du programme dans la commune d’Anahidrano, région Sofia à Anahidrano Antsohihy le 16 août 2022. Les 291 titres restants seront finalisés et distribués au cours du mois de septembre. A cette même occasion, des intrants et de semences agricoles (riz, maÏs, black eyes) ont été également attribuées aux paysans de la région.

La distribution de ces titres et ces intrants agricoles a pour objectif (1) De sécuriser le droit foncier des bénéficiaires dans la parcelle de reboisement, (2) De protéger la surface agricole contre l’érosion et (3) Pour l’autosuffisance alimentaire et l’amélioration de revenu des paysans. L’organisation de cet évènement est bien réalisée en collaboration avec le MINAE, le MEDD, le MATSF, la Région Sofia.

Depuis 2018, le PLAE IV a réalisé  6.700 ha de reboisement dans 35 communes dans 04 régions d’interventions à savoir Sofia, Haute Matsiatra, Amoron’i Mania et Ihorombe. 1.300 ha de surfaces rizicoles protégées contre l’érosion, 2.800 ha de parcelles de reboisement sécurisées et 207 groupements communautaires instaurés.

Pour la région Sofia : 3.100 ha de reboisement sont réalisés, 1.300 ha de surfaces rizicoles protégées contre l’érosion et l’ensablement et 1.315 ha de parcelles de reboisement sécurisées.

La cérémonie a été célébrée en présence du Gouverneur de la région SOFIA, le préfet d’Antsohihy, les députés élus à Antsohihy et Analalava, les représentants des maires des communes bénéficiaires du programme et les différents Directeurs Régionaux.

Rappelons que le programme PLAE s’appuie sur des concepts basés sur la protection des sols, et travaille étroitement avec les organisations paysannes de  base.

Le PLAE IV Sofia entamera sa clôture par un atelier le 20 août 2022 à Antsohihy.

Retour

Comments are closed.