Famolavolana ny bokin’andraikitra nasionaly biolojika eto Madagasikara

Manan-danja lehibe eo amin’ ny tontolon’ ny fambolena sy ny famokarana eto Madagasikara ny seham-pihariana biolojika. Tombanana eo amin’ny 110 tapitrisa euros ny vola miditra tamin’ny taona 2019 ary mitombo hatrany izany vokatry ny fanatsaràna ny fidirana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Maherin’ny 70.000 ny mpamokatra ary manodidina ny 340 ny orinasa misehatra amin’ny famokarana biolojika ankehitriny amin’ ny toerana 280. Ankoatra ny lafiny ara-toekarena, ny fambolena biolojika dia manampy amin’ ny ady amin’ ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiarovanana ny tontolo iainana.

Manoloana izany dia zava-dehibe ho an’ny mpisehatra ny fananana fitaovana entina hampandrosoana ny seham-pihariana famokarana Biolojika. Ankoatra ny fametrahan’ ny MINAE sy ny SYMABIO ny lalàna ho an’ ny fambolena biolojika sy ny fametrahana ny Paikady Nasionaly momba ny Fambolena Biolojika (SNABIO), dia ilaina ny mametraka ny bokin’ andraitra na ny « cahier de charge » nasional biolojika. Ity bokin-andraikitra ity no hamaritra ny fitsipiky sy ny fepetra ny famokarana biolojika ary hiantoka ny kalitaon’ny vokatra.

Ho fanombohana ny famolavolana ny bokin-andraikitra dia nisy ny atrikasa izay nokarakarain’ ny MINAE sy ny FAO ny talata 19 jolay 2022 tao Anosy. Tanjona ny hahafahan’ ny mpiara-miombon’antoka sy ireo mpisehatra mifandinika sy mifanakalo hevitra momba ny famaritana ireo seha-pihariana voakasik’ izany famokarana biolojika izany, ny fomba famokarana, ny fiarovana ny voly ary ny fanodinana ny vokatra.

Elaboration du cahier de charge national biologique pour améliorer le secteur bio à Madagascar

Actuellement, le secteur biologique est en plein essor à Madagascar. Le chiffre d’affaires est estimé à près de 110 million d’euro en 2019 et ne cesse de croitre en raison de l’amélioration de l’accès au marché. Madagascar compte plus de 70 000 producteurs exerçant dans le bio, 340 entreprises réparties dans 280 sites. Au-delà des enjeux économiques, l’agriculture biologique constitue également un moyen de lutte contre la malnutrition et de protection de l’environnement.

Dans ce contexte, il est important pour les acteurs du Bio de disposer des outils nécessaires pour le développement du secteur. Outre la mise en place de la loi sur l’agriculture biologique et l’élaboration de la Stratégie Nationale de l’Agriculture Biologique (SNABIO) par le MINAE et la SYMABIO, l’élaboration d’un cahier de charge national sur le bio, adapté aux réalités Malagasy et conforme aux normes internationales s’avère nécessaire. Ce cahier de charge va définir les règles de production et va encadrer la production biologique à Madagascar. Il servira de référence pour les acteurs en vue d’assurer la qualité des produits.

Afin de débuter les travaux, un atelier de consultation des acteurs a été organisé par le MINAE avec l’appui de la FAO, le mardi 19 juillet 2022, à l’hôtel Carlton Anosy. Plusieurs points ont été abordés et discutés durant cet atelier, dont l’identification des filières concernées telles que : les cultures vivrières, CUMA, la filière apicole, les épices et huiles essentielles, les techniques de productions, la protection des cultures, l’usage des fertilisants et des produits phytosanitaires, le traitement des produits et la transformation des produits.

Retour

Comments are closed.