Behenjy, 09 jolay 2022 : fankalazana ny andro ho an’ny aty matavy, andiany voalohany

Tontosa ny Asabotsy 09 Jolay 2022 tao Behenjy ny fankalazana ny “andro lehibe ho an’ny aty matavy” izay teo ambany fiahian’ Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, Andriamatoa Minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, Andriamatoa Minisitry ny Fizahantany, ary Andriamatoa Governoran’ny faritry Vakinankaratra ; hetsika nokarakarain’ny “Fikambanan’ny mpiompy mpamokatra aty matavy eto Behenjy”.

Seha-pihariana manan-danja sy mahasarika mpandraharaha maro ny famokarana aty matavy na ny « foie gras » ; isan’ny vokatry ny fiompiana mitondra otrikaina maro izay ilain’ny vatan’olombelona ho amin’ny fanjarian-tsakafo ihany koa. Fihariana mampidi-bola ary mbola malalaka ny tsena amin’izany. Manao lahara-pahamehana ny fampiroboroboana ny fihariana fiompiana sarindokotra araka izany ny Ministera, ho fanomezan- danja ny « aty matavy » mba hitana toerana ambony amin’ny seham-pamokarana na eto an-toerana na iraisam-pirenena ; ary hahatonga izany ho loharanon-karena ho an’ny faritra Vakinankaratra sy ny Firenana.

Nandritry ny lahanteny nataon’ Andriamatoa Tale UAPP/MINAE izay nisolontena ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana 2 lahy no nanamafisana fa efa nahazo tantsoroka tamin’ny FDA ny Sehampihariana “aty matavy” eto Vakinankaratra, vola mitentina 66.000.000 ar no efa nivoaka ary nentina namatsiana fitaovam-pamokarana, hanampamokarana ary fiofanana. Satria tafiditra ao anatin’ireo “projet professionnel” vatsian’ny FDA vola ny “Sehampihariana aty matavy” dia mbola hitohy ny fanohanana ho atao mandritry ny 2 taona manaraka. Ho dinihana ihany koa ny tantsoroka hafa izay mbola afaka hentin’i FEL, ary hatsangana ny “plateforme foie gras” mba hahatonga ireo mpiantsehatra rehetra ho tena matihanina eo amin’ny seham-pamokarana. « Ho vary amin-dronono tondrahan-tantely mandrakariva anie no ho sitrahan’ny Malagasy tsivakivolo, ary hiampy aty matavy hanome tsiro azy», hoy hatrany ny nambarany.

Naneho fisaorana ny Ministera ireo mpisehatra amin’ny famokarana aty matavy ary nanamafy kosa Andriamatoa Governora fa tena miampaka ety ifotony ny tantsoroka entin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana.
Taorian’ny lahanteny nifamdibiasana dia nisy fitsidihana ireo trano heva izay nanehoana ny tontolon’ny “aty matavy”.

Retour

Comments are closed.