Atrikasa nasionaly momba ny masomboly

Tanterahina mandritry ny hateloana (31 may, 01 et 02 jona 2022) ao amin’ny CNEAGR Nanisana  ny atrikasa fikaonan-doham-pirenena ho an’ny masomboly, izay nokarakarain’ny MINAE niaraka tamin’ireo mpiara miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny masomboly.

Miroso amin’ny fanafainganana ny fizakan-tena ara-tsakafo i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampivoarana sy fanovàna ny seha-pamokarana. Sehatra atao laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny masomboly, amin’ny alalan’ny fametrahana ny paikady nasionaly momba ny masomboly.

“Ny vokatra no tsara, dia ny masomboly” ka zava-dehibe araka izany ny fampiasàna masomboly nohatsaraina, voamarina ary tsara kalitao, izay ahazoana vokatra betsaka kokoa anaty fotoana fohy, ary mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro sy mahatohitra ireo aretina ara-pambolena.

Azo lazaina mbola marefo i Madagasikara amin’ny famokarana satria mbola manafatra vokatra avy any ivelan. Mila haverina araka izany ny fahafaha-mamokatra ara-pambolena any ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fanamoràna ny fahazoan’ny tantsaha ireo famatsiam-bola ara-pambolena sy ireo akora sy fitaovana toy ny masomboly nohatsaraina.

Tsiahivina  fa manodidina ny 2000T ny vokatra masomboly tamin’ny taona 2021, tanjona ny hamokatra 20 000 T ao anatin’ny dimy taona, izay mitaky ny fanentanana ny tantsaha mpamokatra mba hisehatra ao anatin’izany famokarana masomboly izany. Hamafisina ny fikarohana, ny famokarana, ny fanapariahana izany satria mila manampy voka-bary hatramin’ny dimy hetsy Taonina (500.000T) isika hoan’ireo mponina efa maherin’ny 27 tapitrisa amin’izao fotoana. Mitaky fampiasana masomboly voamarina sy fampivoarana ny tontolon’ny masomboly amin’ny ankapobeny ny fanatrarana izany.

Tsy ny sehatry ny famokaram-bary ihany no hohatsaraina fa ao ireo voly hafa tsy maintsy vokarina betsaka ahafahana mizaka tena, amin’ny alàlan’ny fampiasàna masomboly nohatsaraina toy ny mangahazo, ny katsaka, ny voamaina, ny voankazo sy ny legioma. Eo ihany koa ny voly vilona izay entina hampiroboroboana ny fiompiana, indrindra ny fiompiana ombivavy be ronono tsara taranaka.

Hodinihana mandritry ny atrikasa, ny fanavaozana ny paikadim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana ho aingavao indray ny AMPROSEM na ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly.

Marihina fa izao atrikasa izao dia anatin’ny fanatanterahana sahady ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika tanatin’ny taratasy nosoratany hoan’ny Governemanta. Anisan’ireo fehin-kevitra hoentina amin’ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny “fahavitan-tena ara-tsakafo” izay hotanterahintsika afaka andro vitsivitsy ihany koa ny tsoan-kevitra amin’izao atrikasa izao.

Nanampy betsaka tamin’ny fanatanterahana ity atrik’asa ity ny Vondrona eropeana amin’ny alàlan’ny fandaharan’asa RINDRA sy ny FIDA amin’ny alàlan’ny fandaharan’asa DEFIS.

ATELIER NATIONAL  DE CONCERTATION SUR LES SEMENCES

Madagascar avance dans l’accélération  de la mise en œuvre des stratégies pour l’autosuffisance alimentaire par l’amélioration et l’innovation  du secteur agricole. La promotion des semences à travers la mise en place d’une stratégie nationale  semencière étant une priorité, car la qualité de la production dépend abondamment de la qualité de semence. Ainsi, l’utilisation des semences améliorées, certifiés et de bonne qualité est indispensable,  ce qui peut augmenter le taux de production dans une courte durée, qui s’adapte  au changement climatique et également résistent aux différentes maladies menaçant l’agriculture.

Madagascar présente encore un taux de production une peu faible vu l’importation des produits agricoles, ce qui nécessite une grande restauration  la productivité agricole à travers la facilitation d’accès aux financements agricoles, aux matières premières et matériels tels que les semences améliorées. Rappelons que la production de semences à Madagascar est estimée de 20 00T en 2021. L’objectif d’ici cinq ans est de produire 20 000T. Mobilisons donc tous les agriculteurs à s’impliquer un peu plus dans la production de semences.

Le domaine de la recherche, la production, la distribution des semences seront renforcé afin de produire 500 000 Tonnes de plus de riz pour nourrir les 27 millions malagasy. Et cela nécessite l’utilisation de semences certifiées. Outre la production rizicole, d’autres cultures, tels que le manioc, le maïs, les céréales, les fruits et les légumes, doivent êtres produire à grande échelle. De plus, la culture fourragère pour améliorer l’élevage, notamment l’élevage de vaches laitières de race serait une des priorités, tous dans le but d’atteindre l’autosuffisance alimentaire, Velirano 9 du PRM Andry RAJOELINA.

Ainsi, un atelier National de concertation sur les semences, organisé par le MINAE avec les partenaires techniques et financiers, et tous les acteurs des semences a eu lieu le 31 mai, 01 et 02 juin  2022 au CNEAGR Nanisana. Trois grands thématiques sont discutés durant cet atelier dont (1) la révision de la stratégie nationale sur les semences, (2) la loi sur la production de semences, et (3) la redynamisation de l’AMPROSEM ou l’Association Malgache pour la PROmotion des SEMences.

Notons que cet atelier entre dans la mise en œuvre des actions inscrites dans la lettre du Président de la République pour l’autosuffisance alimentaire. Les résolutions de cet atelier  seront également un des documents à soumettre au Conférence nationale pour «l’autosuffisance alimentaire » qui aura lieu dans quelques jours.

L’atelier est réalisé grâce aux appuis techniques et financiers de l’Union Européenne à travers le Programme RINDRA et du FIDA à travers le Programme DEFIS.

Retour

Comments are closed.