FANAFAINGANANA NY FAMETRAHANA NY DRAFI-PAMPANDROSOANA NY SEHA-PAMOKARANA HIANTOHANA NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

Notanterahina ny 27 mey ny fihaonambem-paritra entina hanafaingànana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny seha-pamokarana hiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.

Ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia Velirano faha-9 napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Voafaritra mazava anatin’ny « Plan Emergence Madagascar » sy ny Drafi-panarenana ny Firenena ny rafitra sy paikady hanatanterahana izany. Efa misy koa ireo tetikasa an-dalam-panatanterahana manerana ny nosy mifototra amin’izany.

Manoloana ireo fikorontanana eran-tany ateraky ny Covid-19 sy ny krizy any Ukraine, ary ny olana aterak’izany eto Madagasikara, izay sady Firenena miankina betsaka amin’ny fanafarana no marefo noho ny fiovaovàn’ny toetr’andro, dia namafisin’ny Filoha tanatin’ny Taratasy izay nosoratany ho an’ny mpikambana anaty Governemanta, ny hanovàna ny famindra sy hanafainganana ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nisy araka izany ny fihaonambe natao manerana ireo faritra 23 ho fanafainganana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny seha-pamokarana.

Ny fikaonan-doha izay tanterahina manerana ny faritra 23 dia natao hamaritana ireo tanjona sy filàna ary vokatra andrasana hanatrarana ny fahaleovan-tena isam-paritra amin’ny taona 2023, ary hiverenan’I Madagasikara eo amin’ny sehatra fanondranana afaka taona vitsivitsy. Fotoana ihany koa izao hijerena ireo vahaolana maika mba hanatsaràna ny andavanandrom-piainan’ireo mpiray tanindrazana iharan’ireo krizy, indrindra fa ireo tantsaha mpamokatra mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

Fotoan-dehibe nifandrimbonan’ireo fitondran-draharaha misahana ny fampandrosoana eny ifotony, ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo vondrona mpamboly sy loharanon-karena ifotony, ka namaritana ireo tanjona ara-teknika tsy maintsy tratrarina ampiakaran-danja ny seha-pihariana, ary nanangonana ireo hevitra, akora na fahaiza manao hanovàna ny famindra ka hanafainganana ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena. 

Izany dia notarihin’ireo Governoram-paritra sy ireo fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, ary niarahana nikarakara tamin’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra.

Retour

Comments are closed.