ATRIKASA FAKAN-KEVITRA HO FANITSIANA NY PAIKADY NASIONALY HO FAMPIROBOROBOANA NY FAMOKARAM-BARY

Antananarivo, 12 May 2022. Notanterahina anio ny atrikasa fakan-kevitra itondrana fanitsiana sy fanatsarana ny Paikady Nasionaly ho fampiroboroboana ara-bary, izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, dia ny Banky iraisam-pirenena, ny CARD ary ny JICA.

Fanafainganana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny fambolena iantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara

Sehatra mila fanarenana maika sady laharam-pahamehana ny famokarana sakafo, indrindra ny vary, manoloana ireo olana sy ambana maro samihafa miteraka tsy fanjarian-tsakafo hoan’ny Malagasy. Izany dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fitomboan’ny mponina, ny fahanteran’ireo foto-drafitr’asam-pamokarana, sns. Manampy trotraka ny fiankinan’i Madagasikara amin’ny fanafarana sakafo toy ny vary avy any ivelany, misedra olana koa anefa izao tontolo izao amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ireo haba alaina amin’ny fanafaran’entana vokatry ny krizy any Ukraine sy ny Covid19.

Ny zava-misy maneran-tany dia maneho fa tena ilaina ny fahaleovan-tenan’ny Fanjakana tsirairay eo amin’ny lafiny ara-tsakafo. Vina efa napetraky ny Filohan’ny Repoblika ho an’i Madagasikara ny « Fiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsaràna ny famokarana ara-pambolena » ary ilàna vokatra haingana ankehitriny, araky ny voarakitra anatin’ny taratasin’ny Filoham-pirenena nivoaka omaly, izay manentana ny fandraisan’andraikitr’ireo ministera rehetra voakasika.

Izao atrikasa fanitsiana ny SNDR II (2016-2020) ho SNDR III moa dia anatin’ny fanatanterarahana sahady ny torimarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ny fametrahana « Drafi-pampandrosoana nasionalin’ny sehatry ny fambolena hoan’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’i Madagasikara », izay hamaritra ireo tanjona sy filàna ary vokatra andrasana.

Aorian’izao fakan-kevitra nasionaly izao dia hisy fakan-kevitra isam-paritra amoahana ireo drafi-pampandrosoana isam-paritra. Ny fandaniana ireo tapaka dia hoatao mandritra ny fihaonambem-pirenena ho hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay hotanterahina afaka herinandro vitsy.

Hitombo 5% ny voka-bary amin’ity taona ity

Na dia teo aza ny fahasahiranana nateraky ny rivo-doza nifanesy teto amin’ny Firenena dia azo lazaina fa nisy tombony ho an’ireo faritra saro-drano ny fisian’ny orana, hoy ny Minisitry ny Fambolena RAMILISON Harifidy, ka nahafahan’izy ireo nampitombo ny voka-bariny.  Teo koa ireo ezaka maro hampiroboroboana ny famokarana. Anisan’izany ny fanapariahana ny voly vary ara-teknika anatina velaran-tany maro, ireo tosika maro samihafa nomena ireo mpamokatra toy ny amin’ny fahazoana hana sy fitaovam-pamokarana, ny fanitarana ireo lemaka voatondraka, ny fanamboarana ireo làlana famoaham-bokatra, sns. Eo am-piandrasana ny vokatry ny « estimation de rendement » atao ankehitriny isam-paritra anatin’izao fararanom-bokatra izao, dia tombanana ho eo amin’ny 5% eo ho eo ny voka-bary amin’ity taona ity.

Na dia mbola tsy mifandanja ny fitomboan’ny mponina sy ny fitomboan’ny vokatra, hoy hatrany ny Minisitra, dia fa efa mazava ireo tetik’ady ialana amin’ny tsy fahampiana. Efa fantatra ankehitriny ireo lemaka vaovao hotrandrahina hampiakarana ny vokatra. Miisa 189 ireo tokony hoarenina amin’ity taona ity hoy ny Minisitra. Ary nanamarika ny tenany fa zava-dehibe koa ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa ka anentanana ny daholobe. Hoapetraka ny FRERHA na Tahirim-bola hikojakojana sy hanamboarana ny simba amin’ireo tamban-jotram-pamokarana. Nambaran’ny Ministra Ihany koa fa hoatevenina ny fanentanana amin’ny fanapariahana ny teknika mahomby izay hiaraha-miasa amin’ireo haino vaky jery eto amin’ny firenena ary hoampitomboana ny teknisiana eny ifotony.

Teboka enina lehibe no nodinihana nandritra ny asam-baomiera tanatin’izao atrik’asa izao, dia ny masomboly, ny fanapariahana, ny fampiasana fitaovana mekanika eo amin’ny famokarana sy ny fikirakirana ny vokatra manomboka eo amin’ny fijinjana ka hatrany am-bilia, ny fanajariana sy fanarenana ary ny fananan-tany, ny famarotana ary ny fiitantanana  sy ny famatsiam-bola ny lalam-pihariana vary.

Mpandray anjara maro avy amin’ny lafin-kery samihafa, no nanome ny heviny tamin’ity atrikasa fakan-kevitra ity, izay nampitain-davitra ihany koa. Anisan’izany ireo tompon’andraiki-panjakana maro, avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, eo anivon’ny Ministera sy ireo rantsa-mangaikany, izay misahana ny fambolena sy fiompiana ary ireo Ministera hafa mifampizara andraikitra amin’ny fampiroboroana ny famokarana. Nandray anjara mavitrika ihany koa ireo avy amin’ny vondron’ny Fikambanana tantsaha, ny avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ireo solontenan’ny mpandraharaha sy ireo manam-pahaizana maro sy mpikaroka, ary ny avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Comments are closed.