10 may 2022 Sahabe, Alaotra Mangoro. Fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny lamina fitarihan-drano hanondrahana ny lemaka Atsimo Andrefan’ny lac Alaotra-PC23

Velaran-tanimbary manodidina ny 10 000ha ao amin’ny lemak’i PC23, faritra Atsimo Andrefan’ny lac Alaotra no ho voatondraka ara-dalana manomboka izao vokatry ny  fahavitan’ny lamina fitarihan-drano lehibe ao Sahabe. Foto-drafitrasa izay mifanin-dran-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Governemanta malagasy dia ny hanajary velaran-tany 100 000ha ho fanatanterahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra ny fahavitan-tena ara-bary.

« Tombanana ho tafiakatra 580 000 taonina isan-taona ny voka-bary hiakatra ao amin’ny faritra Alaotra manomboka izao satria efa ara-dalana ny famatsian-drano, raha toa 540 000 taonina izany teo aloha », raha ny nambaran’ny Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, RANDRIAPENO Harindralemana Zaka. Afaka mampiatra tsara ny teknikam-pambolena toy ny teknika PAPRIZ  ihany koa ny tantsaha, izay fiaraha-miasa ara-teknika amin’ny JICA.

Hihatsara ihany koa manomboka izao ny fanadiovana ny lakan-drano nohon’ny fanavaozana ny fitaovana fanalana fasika ary hihatsara ny fampiasana rano satria hihena ny rano very.

Tantsaha manodidina ny 7000 isa no hisitraka ity tetikasa ity, izay ao anatin’ny kominina 4 dia Ambodirano, Morarano Chrome, Ambatomainty ary Ampasikely.

“Ezaka hiarahana hatrany ny mitondra vahaolana maharitra ho an’ny tantsaha, amin’ny alalan’ny asa samihafa: eo ny fanomanana, fampitaovana ary fifanampiana amin’ny endriny maro. Anisan’ny asa goavana amin’izany ny famokarana vary” hoy ny nambaràn’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Harifidy RAMILISON, nandritry ny fandraisany fitenenana.

Fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Japoney

Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2017 ny fanamboarana ity foto-drafitrasa ity, izay teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, ary fanomezana, tsy averina avy amin’ny Governemanta Japoney tamin’ny alalan’ny JICA, izay mitentina 3 milliards 226 million Yen Japoney na 110 lavitrisa ariary no nanatanterahana azy.

Tonga nitarika ny fitokanana ofisialy ny foto-drafitrasa ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, izay natrehan’ny Ambasadaoron’ny Japon eto Madagasikara, Andriamatoa Yoshihiro HIGUCHI, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON, ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, Dr RAMANDEHAMANANA Richard ary ny Solontena maharitry ny JICA eto Madagsikara, TANAKA Kaori.

————————————————

10 mai 2022, Sahabe Alaotra Mangoro. Inauguration du système d’irrigation du Sud-Ouest du lac Alaotra-PC 23

Le projet de réhabilitation du système d’irrigation à Sahabe est actuellement à terme. Un projet qui permet désormais d’irriguer de manière stable 10 000ha de rizières dans le périmètre PC23, et qui est parfaitement aligné à la vision du Gouvernement Malagasy de vouloir réhabiliter 100 000ha pour atteindre l’autosuffisance en riz.

« La production rizicole annuelle dans la région Alaotra Mangoro sera estimé à 580 000 tonnes grâce à la bonne maitrise d’eau, si cela n’atteignait que 540 000 tonnes l’année dernière » selon le DRAE Alaotra Mangoro, RANDRIAPENO Harindralemana Zaka. Les agriculteurs permettent également d’appliquer les paquets techniques du Projet d’Amélioration de la Productivité Rizicole et de l’Industrialisation du secteur Riz ou PAPRIZ, qui est une coopération technique du JICA.

De plus, l’efficacité des travaux de dragage, grâce à la réhabilitation du dessableur et l’efficacité de l’utilisation de l’eau grâce à la diminution de la perte d’eau de passage seront améliorés car une gestion appropriée de l’eau, de l’exploitation et la maintenance des infrastructures seront désormais effectives. Les dégâts dus à l’innondation en amont diminueront également grâce la construction d’un déversoir de sécurité.

7000 paysans agriculteurs dans 4 communes à savoir Ambodirano, Morarano Chrome, Ambatomainty et Ampasikely vont bénéficier de ce projet.

 « La recherche des solutions durables pour les agriculteurs, à travers des diverses activités comme la préparation, l’appui technique et matériel, et la formation est un engagement commun. La production rizicole en est l’une des activités de base » a annoncé le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON lors de son allocution.

Coopération avec le Gouvernement Japonais

Rappelons que ce travaux de réhabilitation du système d’irrigation ont commencé en 2017 sous tutelle du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, et qui s’inscrit dans le cadre de l’Aide publique au développement du Gouvernement Japonais par le biais du JICA, à titre de don non remboursable octroyé à Madagascar d’un montant de 3milliards 225 millions de Yen Japonais soit équivalent de 110 milliard d’ariary.

La cérémonie d’inauguration officielle de ce système d’irrigation s’est tenue le 10 mai 2022 sous le haut patronage de Son Excellence Monsieur Andry RAJOELINA, Président de la République de Madagascar, en présence de Son Excellence Monsieur Yoshihiro HIGUCHI, Ambassadeur du Japon à Madagascar, de Monsieur Harifidy RAMILISON, Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, du Dr RAMANDEHAMANANA Richard, Gouverneur de la région Alaotra Mangoro, et de Madame TANAKA Kaori, Représentante Résidente du JICA.

Retour

Comments are closed.