Tetikasa FANDROSO : fanolorana fiara ho an’ny FDA

Nanomboka notanterahina ny taona 2020 ny tetikasa FANDROSO, tetikasa vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, ao anatin’ny singa faharoan’ny fandaharanasa RINDRA, izay haharitra 36 volana ary tanterahin’ny FDA.

Hatramin’ny niasan’ny tetikasa FANDROSO, ny FDA dia afaka nampitombo isa ny faritra izay iasany, toy ny ao Itasy, Bongolava, Betsiboka, Boeny, Sofia, SAVA ary Diana. Dingana lehibe ho amin’ny  fanatrarana ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana izany, indrindra ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ary ny hirosoan’ny Madagasikara bebe kokoa amin’ny Indostria.

Amin’izao dingana antsasa-dalan’ny fanatanterahana ny asany izao, azo tsapain-tanana ny vokatry ny asan’ny FDA ao amin’ireo faritra iasany. Hita taratra izany amin’ny isan’ireo tetikasan’ny mpamokatra misitraka ny tohana ara-bola. Miisa 72 513 ankehitriny ny fianakaviana mpamokatra nahazo tohana ka ny 33 926 dia vehivavy ary 14 656 dia tanora ; miisa 2202 ihany koa ny tetikasa nahazo tohana ara-bola.

Mitohy hatrany ny tohana ataon’ny Vondrona Eropeanina ho an’ny tetikasa FANDROSO, ao anatin’ny andro natokana ho an’ny tetikasa izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, ny 05 may 2022, dia fiara tsy mataho-dalana miisa 8 no natolotry ny FANDROSO ho an’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny alalan’ny FDA, mba hahafahany midina eny ifotony any amin’ireo kominina izay mbola tena saro-dalana sy mitokana ary manampy amin’ny fomba maharitra ireo fianakaviana mpamokatra.

Tsiahivina fa tanjona ankapoben’ny tetikasa FANDROSO ny hampiakatra ny vokatra sy ny tahan’ny famokarana ary ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono eto amin’ny firenena malagasy, amin’ny fomba maharitra.

Nanome toky ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny Vondrona Eropeanina ny Tale Jeneralin’ny FDA, Fanja RAHANTAMALALA fa hampiasa araka ny tokony ho izy ireo fiara ireo.

——————————————

PROJET FANDROSO : REMISE DE VÉHICULES AU FDA

Lancé en 2020 sur le financement de l’Union Européenne et sous la composante 2 du Programme RINDRA, le projet FANDROSO s’étale sur une période de 36 mois et est mis en œuvre par le FDA.

Depuis son lancement, FANDROSO a permis au FDA de couvrir le territoire national en œuvrant 7 nouvelles antennes à savoir Itasy, Bongolava, Betsiboka, Boeny, Sofia, SAVA et Diana. Cette couverture nationale est un grand pas vers l’atteinte des objectifs fixés par le Gouvernement notamment pour l’autosuffisance alimentaire, la gestion durable de nos ressources naturelles et l’industrialisation de Madagascar.

A mi- parcours, le FDA peut se vanter de résultats tangibles vu le nombre conséquent de projets portés par les producteurs qui ont déjà bénéficié de l’appui financier du FDA dans ses zones d’intervention et ce à travers le financement de FANDROSO. Actuellement, 72 513 exploitants familiaux dont 33 926 sont des femmes et 14 656 des jeunes ont bénéficié du projet ; 2202 projets sont également financés.

L’appui de l’Union Européenne au projet FANDROSO continue aujourd’hui. Dans le cadre de la journée dédiée à tous les projets financés par l’Union Européenne le 05 mai 2022, FANDROSO a octroyé 8 véhicules de terrain au Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage à travers le FDA, leur permettant d’avoir une présence effective dans les communes reculées et enclavées afin d’appuyer durablement les familles exploitants agricoles.

Rappelons que l’objectif général du projet FANDROSO ou « Financement des Appuis Normalisés pour le Développement et le Renforcement des Organisations de producteurs afin de faciliter l’accès aux Services agricoles et d’œuvrer à la modernisation de l’Agriculture » est d’augmenter la productivité, la production et les revenus des producteurs dans les secteurs Agriculture, Elevage et Pêche sur tout le territoire national et ce de manière durable.

Le Directeur Général de la FDA, Fanja RAHANTAMALALA rassure tous les partenaires notamment l’Union Européenne à travers le FANDROSO le bon usage de ces véhicules.

Retour

Comments are closed.