ATRIKASA FAMEHEZANA NY FANDAHARANASA PROSPERER

Nofaranana tamin’ ny fomba ofisialy ny talata 3 mey 2022 ny fandaharanasa Prosperer na Fanoitra, izay eo ambany fihian’ny MINAE , izay novatsian’ny International Fund for Agricultural Development (IFAD) vola, rehefa notanterahina nandritra ny 14 taona tamin’ ny Faritra 9 teto Madagasikara dia ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava, Haute Matsiatra, Sofia, Vatovavy, Fitovinany, Boeny, Atsinanana ary Analajirofo. Nanamarihana izany dia nisy ny atrikasa famehezana « Atelier bilan » nanehoana sy nampitana ny vokatsoa sy ny fomba fiasa nahomby, nanehoana ny jeritodiky ny zava-bita, nitondrana fanazavana ihany koa ny famindrana ireo fotodrafitrasa napetraky ny MINAE tamin’ ny alalan’ ny fandaharanasa.

Nandritra ny fotoana dia nisy ny fanolorana ny fanilo miampita hoan’ ireo rafitra mpandimby sy ireo Departemanta Ministerialy izay nanampy sy nanohana nandritra izay 14 taona izay, ka hanohy sy hampiroborobo ireo lova nampitain’ ny fandaharanasa.

Nanambara ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON fa natao ho fanatsarana ny farim-piainana sy ho fampitomboana ny vola miditra ho an’ireo tantsaha mpamokatra sahirana na marefo ny fandaharanasa mba hanamorana ny famarotana ny vokatra tamin’ny alalan’ny fampifandraisana amin’ny mpandraharaha ara-barotra. Nandritra izay 14 taona izay, dia manodidina ny 300 000 ireo mpahazo tombontsoa. Manodidina ny 830 ireo vondrona mpamokatra natsanganana. Miisa 390 ny fampifandraisana vondrona mpamokatra sy mpandrahara ar-barotra izay niteraka vola maty manodidina ny 14 tapitrisa USD. Manodidina ny 21 ny lalam-pihariana notohanana. Miisa 21 300 ny MER (Orinasa Madinika eny Ambanivohitra) nahazo fanampiana ara-bola tamin’ny alalan’ ny IMF sy GVEC. Maherin’ny 5 tapitrisa USD ny vola nanmpiasaina ho an’ny sehatra tsy miankina.

ATELIER BILAN DU PROGRAMME PROSPERER

Le Programme Prosperer ou « Fanoitra »sous tutelle du MINAE et financé par le International Fund for Agricultural Development (IFAD) a été mis en œuvre durant 14 ans dans 9 régions de Madagascar, à savoir Analamanga, Bongolava, Itasy, Haute Matsiatra, Sofia, Vatovavy, Fitovinany, Boeny, Atsinanana et Analajirofo. Aujourd’hui le programme arrive officiellement à son terme.

 Afin de marquer l’achèvement du programme un atelier bilan a été organisé le mardi 3 mai 2022 à l’ Hotel Centell Antanimena. Cet atelier à permis aux responsables du programme de partager les principaux résultats et réalisations du programme dans ses régions d’interventions, de communiquer les acquis et d’expliquer également le mécanisme de désengagement. C’était également l’occasion d’effectuer la remise de fanion aux structures relais et partenaires ainsi qu’aux départements ministériels qui se chargeront de la pérennisation des acquis du programme.

Selon le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON, le Programme a été mis en œuvre afin d’améliorer les revenus des producteurs ruraux et faciliter la commercialisation des produits en les mettant en relation avec les Opérateurs de Marché (OM). En effet, durant 14 ans le programme a appuyé 21 filières a soutenu 830 Organisation de Producteurs(OP) dans les neuf régions d’intervention et a touché environ 300 000 personnes bénéficiaires. 390 couples OP/OM ont été créés générant un chiffre d’affaire d’environ 14 millions d’USD. Plus de 100 600 MER ont bénéficié de service d’appui au entreprise.21 300 MER ont bénéficié des services financiers (IMF/GVEC).Plus de 5 millions d’USD ont été investis dans le secteur privé.

Retour

Comments are closed.