ATOMBOKA NY « FAMETRAHANA TAMBAJOTRAN-TSERASERA MOMBA NY FAMBOLENA SY NY FIAHIANA ARA-TSAKAFO ARY NY FANJARIAN-TSAKAFO AMIN’IREO FIRENENA ATY AMIN’NY RANOMASIMBE INDIANINA » AO ANATIN’NY FANDAHARANASA SANOI

Efa mpikambana ao amin’ny COI sy ny COMESA ary ny SADC i Madagasikara ka  manana  fahafahana amin’ny hanamafisana ny fampidirana ny vokatry ny famokarana  ho amin’ny tsena eo anivon’ny  faritry ny ranomasimbe Indiana sy ny tsena iraisam-pirenena. Amin’izao fotoana izao  anefa dia mbola tsy ampy ny angom- baovao sy antontan’isa fototra  feno sy  azo antoka momba ny fiahiana  ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny  firenentsika, izay   fepetra ilaina amin’ny fametrahana politikam-pirenena tena izy sy politikam-paritry ny famokarana mifototra amin’ny porofo.

Nisy araka izany ny atrikasa ho fanombohana ny singa “Fametrahana tambajotran-tserasera momba ny fambolena sy ny fiahiana ara-tsakafo ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina » ao anatin’ny Tetikasa SANOI, izay notanterahina ny 29 Aprily 2022 tao amin’ny Novotel Ankorondrano.

Tanjona ankapoben’ny tetikasa ny hanatsaràna ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny drafitra stratejika eo amin’ny sehatra nasionaly sy isam-paritra momba ny fiahiana  ara- tsakafo sy fanjarian-tsakafo, izay  mifototra amin’ny porofo. Zava-kinendry ao anatin’izany ny hamahana  ny tsy fahampian’ny angona, amin’ny fanatsarana sy ny fampiroboroboana ireo vovonana  eo an-toerana izay ho tafiditra ao anatin’ny vovonam-paritra.

Andrasana amin’ity tetikasa ity ny (1) hanangonana sy hamokarana angom-baovao  momba ny fiahiana  ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo,( 2) hisian’ny  vovonam-paritra manohana ny asan’ny lamina  fampahalalam -baovao nasionaly  ho    famantarana sy fanangonana ary famokarana ireo agom-baovao mirindra momba ny sakafo sy  fanjarian-tsakafo, ary koa  (3) ny fanatsaràna ny  fandrindrana ny antontam-vaovao momba ny fanjarian-tsakafo, miaraka amin’ny fanatsaràna ny fahaiza-manao nasionaly amin’ny famakafakana antontan’isa  ny fiahiana ara- tsakafo sy fanjarian-tsakafo .

Marihina fa ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI (Madagasikara, Kaomaoro,Maorisy , Seychelles) no hiasan’ity  Tetikasa ity izay  hotanterahina ao anatin’ny 5 taona (2020-2025), famatsiam-bola avy amin’ny  Vondrona Eoropeanina amin’ny alàlan’ny FED faha-11, miaraka amin’ny  fanohanana ara-teknikan’ny FAO.

ATELIER DE LANCEMENT DE LA COMPOSANTE « MISE EN PLACE D’UN RESEAU DE SYSTEMES D’INFORMATIONS SUR L’AGRICULTURE ET LA SECURITE ALIMENTAIRE ET NUTRITIONNELLE DANS LES PAYS DE L’OCEAN INDIEN » DU PROGRAMME SANOI

Étant membre de la COI, du COMESA et de la SADC, Madagascar a une opportunité de renforcer l’intégration des produits agricoles à un marché plus large au sein-même de la région et à l’international. Pourtant, la disponibilité d’informations et de données statistiques de base complètes et fiables sur la sécurité alimentaire et nutritionnelle manque actuellement à nos pays, alors que c’est une condition essentielle pour asseoir une vraie politique nationale et régionale agricole fondée sur des preuves.

Ainsi, un atelier de lancement officiel de la composante « mise en place d’un réseau de système d’informations sur l’agriculture et la sécurité alimentaire et nutritionnelle » du programme SANOI a été organisé le vendredi 29 avril 2022 au Novotel Ankorondrano. L’objectif général  du projet est d’améliorer la prise de décision et la planification stratégique aux niveaux national et régional, fondées sur les preuves, concernant la sécurité alimentaire et nutritionnelle.

Le projet vise a remédier au manque de données, en améliorant et en développant des plateformes locales qui seront à terme intégrées dans une plateforme régionale.

Il est attendu de ce projet que (1) des données et des informations sur la sécurité alimentaire et nutritionnelle sont récoltées et produites, (2) une plateforme régionale appuie les activités des systèmes d’informations nationaux dans l’identification, la collecte et la production de données et informations harmonisées sur la sécurité alimentaire, et (3) une amélioration de la coordination des informations sur la sécurité alimentaire, accompagnée d’une amélioration des capacités nationales d’analyse quantitative de la sécurité alimentaire et nutritionnelle est effectuée.

Notons que le projet intervient dans les pays membre de la COI (Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles) et est mise en œuvre dans 5 ans (2020-2025), financé par l’Union Européenne à travers le 11ème FED, et au soutien technique de la FAO.

Retour

Comments are closed.