Atrikasa fanehoana ny zava-bitan’ ny tetikasa « legioma nentim-mpaharazana manampy amin’ ny fanjarin-tsakafo eto madagasikara »

Ny legioma nentim-paharazana dia loharano ahazoana  vitamina sy mineraly ilain’ ny olombelona amin’ ny fahasalamana, antoka ho an’ ny fanjarian-tsakafo anatin’ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Ankehitriny, ahiana ho lany tamingana izy ireny ary adino ny fisiany raha mitaha amin’ ny voly hafa toy ny vary, mangahazo, ny katsaka na ny ovy.

Ho fanomezan-danja ny legioma nentim-paharazana dia notanterahin’ ny FOFIFA izay ivotoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ ny MINAE, ny Oniversiten’ Antananarivo ary ny SEMANA  nandritra ny 3 taona (2019/2022) tamin’ ny faritra roa teto Madagasikara (Itasy sy Vakinakaratra) ny tetikasa “Legioma nentim-mpaharazana manampy amin’ ny fanjarin-tsakafo eto Madagasikara », Tetikasa izay novatsihan’ ny « Darwin Initiative » vola.

Tanjon’ ny tetikasa ny hampisitraka ireo mpamboly eto Madagasikara ny tombontsoa azo avy amin’ ny legioma nentim-paharazana, ny fiarovana sy fitandrona ny legioma nentim-paharazana ary ny fanatsarana ny sakafon’ny tantsaha.

Nandritra ny 3 taona izay nampiharana ny tetikasa dia miisa 200 ny vehivavy tantsaha nahazo fiofanana sy nohentanina hifototra amin’ ny famokarana ny legioma nentim-paharazana, 25 ny tantsaha voahofana ho lasa  mpanentana ifotony ary 11 ho lasa  mpamokatra masomboly. Manodidina ny 750 ny « kit de semence » nozaraina ary miisa 611 ny fototarazo legioma nentim-paharazana voaangona sy notahirizina ao amin’ ny FOFIFA. Miisa 8 ny zaridainan-tsekoly tafapetraka ary nampidirina ho isan’ ny sakafo ao amin’ ny trano fisakafoanana any an-tsekoly ireo legioma nentim-paharazana ireo.

Nazahoana vokatra tsara ny tetikasa satria resy lahatra amin’ ny vokatsoa azo ireo mpahazo tombotsoa. Mikasa ny hanohy sy hanampariaka ny fambolena legioma nentim-paharazana ireo tantsaha. Marihina fa mety amin’ ny toetr’andro ao amin’ ireo faritra roa ireo ny fambolena ny legioma nentim-paharazana dia ny anamamy, ny anapatsa, ny voanemba ary voatavo ny toetrandro. Notanterahina ny 28 aprily 2022 ny atrikasa fanehoana ny zava-bitan’ ny tetikasa nandritra ny 3 taona nampiharana azy.

——————————————————–

La culture des légumes traditionnels adoptée par les agricultrices.

Les légumes traditionnels africains (TAV) sont des ressources de vitamines et de minéraux essentiels à la santé humaines. Ils constituent également à l’amélioration de la sécurité alimentaire et à la résilience face aux changements climatiques. Malheureusement certains légumes traditionnels sont menacés d’extinction ou délaissés au profit de cultures vivrières telles que le riz, le blé, le maïs ou les pommes de terre.

Afin de valoriser les légumes traditionnels, le projet « Les légumes traditionnels africains renforcent la sécurité alimentaire et nutritionnelles à Madagascar » a été mis en œuvre durant trois ans par la FOFIFA, centre de recherche sous tutelle du MINAE, de  l’Université d’ Antananarivo et le SEMANA et a été financé par l’Initiative Darwin. L’Objectif est de procurer aux bénéficiaires les avantages de l’agro biodiversité, de protéger les ressources génétiques des TAV et d’améliorer la qualité nutritionnelle des paysans.

Ce projet a été mis en œuvre dans deux régions de Madagascar, à savoir Itasy et Vakinakaratra. Durant 3 ans, près de 200 femmes agricultrices ont été formées et sensibilisées à la culture de TAV dans 10 villages.25 agents vulgarisateurs ont été formés ainsi que 11 femmes productrices de semences. Près de 600 gènes de TAV ont été collectés et conservés auprès du FOFIFA.750 kits de semences ont été distribués et 8 jardins scolaires ont été mis en place. De plus les légumes traditionnels africains ont été intégrés dans les cantines scolaires pour lutter contre la malnutrition.

La culture des légumes traditionnels a été adoptée par les femmes bénéficiaires. Les variétés diffusées (Morelle, amaranthe, courge…) se sont bien adaptées au climat des deux régions. Aujourd’hui, les agricultrices adoptantes veulent les utiliser comme sources de revenus et d’aliments.

Retour

Comments are closed.