FAMOKARANA ANATY “SERRE”: FIVOARANA LEHIBE EO AMIN’NY TONTOLON’NY FAMBOLENA

Mampiavaka ny faritra SAVA ny famokarana lavanila noho ny fananany toe-tany sy toetr’andro mifanaraka tsara amin’ny seham-pihariana. Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay misy fiantaikany eo amin’ny kalitaon’ny vokatra anefa dia hita fa mihena ny fahitana lalam-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny faritra Sambava sy Antalaha ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON, ny 27, 28 ary 29 Marsa 2022 lasa teo.

Nisongadina nandritra izany ny fitsidihana toeram-pambolena lavanila anaty efitra malalaka na « site de production de vanille sous serre » iray tao Sambava, raha ny fambolena ankalamanjana no nahazatra hatrizay.

Tsikaritra fa azahoana tombony ny famokarana anaty “serre” toy izao satria mihena ny fandaniana indrindra amin’ny fampiasana rano nefa tsara kokoa ny kalitaon’ny vokatra azo.

Voalohany izao no nisy fambolena lavanila anaty “serre” toy izao ary antenaina ny fahombiazany, mba ho afaka apariaka sy ampiharina amin’ny fambolena anana sy karazam-boly hafa mifanaraka amin’ny toe-tanin’ny faritra samihafa eto Madagasikara, indrindra ho an’ny faritra Atsimo izay misedra olana ara-tsakafo goavana.

Nihaona tamin’ireo mpiofana ho mpamokatra vary matihanina izay ofanin’ny tetikasa AFAFI NORD ihany koa ny Ministra ary nitsidika ny ivontoerana FOFIFA tao Ambohitsara Antalaha izay ahitana karazana lavanila roapolo(20) eo ho eo.

PRODUCTION DE VANILLE SOUS SERRE: UNE GRANDE INNOVATION POUR LE SECTEUR AGRICOLE

La région SAVA se caractérise par la production de vanille en raison de ses conditions climatiques et environnementales bien adaptées à la filière. Cependant, face à l’insécurité grandissante qui affecte la qualité du produit, les débouchés se réduisent, notamment sur le marché international.

Le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON, a effectué une mission conjointe dans les régions de Sambava et d’Antalaha les 27, 28 et 29 Mars 2022.

La visite d’une site de production de vanille sous serre» à Sambava a attirée particulièrement l’attention du Ministre, alors que les plantations de vanille habituelles ne se fassent qu’en champ ouvert.

En effet, selon les observations, la qualité et la quantité de vanille produite sous serre se révèle être une idée ingénieuse et pleine d’avenir car d’un point de vue technique, les coûts de production se révèlent moindres, notamment pour ce qui est de l’utilisation de l’eau.

Cette culture de vanille sous serres est une première et on s’attend à ce qu’elle soit une réussite, afin qu’elle puisse être propagée et appliquée à la culture de type “maraicher” et d’autres cultures adaptées au climat des différentes régions de Madagascar, en particulier pour la région du Sud qui fait face à de graves crises alimentaires.

Le Ministre a également rencontré des jeunes apprentis riziculteurs professionnels formés par le projet AFAFI NORD et a visité le centre FOFIFA d’Ambohitsara Antalaha qui recèle une vingtaine (20) variétés de vanille.

Comments are closed.