PROSPERER VATOVAVY SY FITOVINANY: MAHERIN’ NY 24000 NO NAHAZO TOMBONTSOA

Ny talata faha 22 martsa 2022 tao Manakara no notanterahina ny atrikasa fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy  ny fandaharanasa PROSPERER ho an’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Naseho nandritra ny fotoana, ireo zava-bita, ireo hay tao sy traikefa ary tantsoroka izay nentin’ny fandaharanasa tamin’ ireo mpahazo tombotsoa.

Ho an’ny faritra roa dia 93 kaominina ao amin’ny distrikan’ Ifanadina, Manajary, Manakara ary Vohipeno no nanatanterahana ny fandaharanasa. Seham-pihariana  tantely, baie rose, lavanila, jirofo, akondro, litchi, ny sehatry ny  jono ary ny rary no nomen-danja.

Nandritra ny 14 taona niasana dia manodidina ny 24 000 ny mpahazo tombotsoa . Maherin’ny 50 ny fifampivadiana ny vondrona  mpamokatra (OP)sy mpandraharaha (OM) tafapetraka ka nazahoana CA manodidina ny 280 tapitrisa ariary. Miisa 170 ny OP nahazo tohana ary 30 % tamin’izany dia notariiana vehivavy. Miisa 12000 ny MER na Orinasa Mpandraharaha madinika, no nahazo ny SAE na « Service d’Appui aux Entreprises ». Maherin’ny 1500 ny tanora tafapetraka eo amin ny tontolon’ny asa fandaharahana eny amin ny tontolo ambanivohitra ary 25% amin’izany dia vehivavy.

Manodidina ny 40 ny fotodrafitrasa namboarina sy napetraka. Anisan’izany ny trano fitehirizam-bokatra, ny toerana fanangonam-bokatra akondro,ary  ny toerana fanodinana . Tsy latsa-danja tamin’ izany ihany koa ny fanamboarana lalana.

Mahakasika ny fanohizana sy ny fampaharetana ireo asan’ ny fandaharanasa PROSPERER  dia ny KIF Koperativa Ivo Fanoitra  no rafitra mpamdimby ny fandaharanasa hoan’ny faritra Fitovinany ary ny CCI ny faritra Fitovinany no handimby ny fandaharanasa Prosperer ao amin’ ny faritra Vatovavy. Ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny alalan’ny  DRAE vatovavy sy Fitovinany kosa no  hanohana  sy hitari-dalana  ireo rafitra mpandimby ireo ary izy ihany koa no handrindra ny fitsinjarana ireo fitaovana sy fotodrafitrasa napetraky  ny fandaharanasa.

Retour

Comments are closed.