HANAMPY ISA IREO TOERAM-PAMOKARANA ARA-BIOLOJIKA I BONGATSARA

Ezaka imasoan’ny Fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny famokarana ara-biolojika lovainjafy. Hisehatra betsaka amin’ny famokarana legioma sy voninkazo ary hazo fihinam-boa I Madagasikara. Ary I Bongatsara dia toerana natao ho fitaratra amin’izany.

Ho mpamatsy “plantule” I Bongatsara

Vala fakan-tahaka mirefy 4 ares no apetraka isak’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina, izay ahafahana manome fampiofanana ireo tantsaha amina famokarana masomboly sy “plantules” maro karazana ara-biolojika sy ara-teknika. Ireto farany dia samy hampihatra izany amin’ny velaran-taniny mirefy 4 ares ihany koa.

Trano fitahirizana masomboly sy toerana famokarana zezika biolojika ihany koa no hoapetraka ao an-toerana anatin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity izay iarahan’ny SAF FJKM, Faly Export, Kaominina Bongatsara, Christophe RATREMA mivady, ny ESM na Ecole Supérieure Multimédia, ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ireo Tantsaha miara-manatanteraka.

Tanjona ny fampitomboana ny masomboly sy “plantule” biolojika eo an-toerana ka amatsiana faritra maro eto Madagasikara ary hahatonga ny Malagasy hahavita-tena ara-tsakafo.

Asa ho tanterahina ihany koa ny famokarana “plante agro-foresterie” iarovana ny famokarana amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany, ary hanamaitsoana ny tontolo.

Notsidihin’ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana Harifidy RAMILISON anio 22 martsa 2022, ny vala tahaka tao amin’ny Fokontany Amberokely, kaominina Bongatsara. Nambarany tanaty lahateniny ny maha-zavadehibe ny fametrahana vala tahaka. Ezaka efa tanterahina rahateo ny fametrahana ny “Sites Modèles d’Emergence Rizicole” na SMER manerana ireo faritra 23 entina ampiakarana avo ny taha-pamokaram-bary. Namporisika ireo tantsaha hiompy be be kokoa ihany koa ny Minisitra ary nanamafy ny fanohànan’ny Ministera ny famokarana tantanam-pianakaviana na “agriculture familiale”.

Natolotra ireo tantsaha ireo ambioka ara-biolojika maro ary natomboka ny fanentanana azy ireo momba ny karatry ny mpamokatra izay ahafahany misitraka tohana maro avy amin’ny fitondram-panjakana. Hisy ihany koa ny fanoloratra “motos” ho an’ireo teknisiana hanao ny tantsoroka ara-teknika azy ireo.

Fitiavana sy fahavononan’ny tsirairay no manentana ny asa atao an-tsitrapo rehetra ao Bongatsara

Retour

Comments are closed.