AZO RESENA TSARA NY KERE ANY AMIN’NY FARITRA ATSIMON’I MADAGASIKARA

ATSIMO, 12 sy 13 martsa 2022. Nitsidika nandritra ny roa andro ny faritra atsimon’i Madagasikara i Ramatoa Cindy McCain, Ambasadaoron’i Etazonia miasa ao amin’ny Sampandraharaha telo an’ny Firenena Mikambana ao Roma (FAO, PAM, FIDA), notarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Governoran’ny faritra Androy sy Anosy.

Faritra ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo vokatry ny hain-tany mahery vaika efa naharitra aman-taonany ny faritra Atsimo. Anton’izao fitsidihana izao ny hijerena ny fiaraha-miasa eo amin’ireo rafitry ny Firenena Mikambana 3 ireo sy ny mponina ao amin’ny faritra atsimo ary ny fampiasana ny vola azo avy amin’ny Amerikana.

Ny fanjakana Amerikana rahateo dia anisany manome fanampiana be indrindra any amin’ny faritra atsimo. Nanomboka ny taona 2015 dia mitentina 261 tapitrisa dolara mahery no natolotry ny vahoaka amerikana amin’ny alalan’ny USAID. Anisany tetikasa vatsiana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny tetikasa manampy ireo tantsaha maherin’ny 565 000 amin’ny fanarenana ny asa fambolena sy fiompiana.

Ho an’ny PAM dia anisany ezaka ataony ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy sy ny vehivavy any atsimo. Irosoana be be kokoa ny fampiroboroboana ny fambolena maharitra  sy ny fanamafisana ny fahafahan’ireo fianakaviana marefo miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro.

Ny FIDA dia manohana ny Faritra Atsimo amin’ny alalan’ny tetikasa telo izay vatsiany vola ankehitriny dia ny DEFIS sy ny FORMAPROD ary ny Projet de relance et de résilience dans le Grand Sud. Tanjona ny hamerenana ny fahafaha-mamokatr’ireo tokantrano izay tena iharan’ny kere. Tetikasa sy fandaharanasa 17 eto Madagasikara no tohanan’ny FIDA izay mitentina 880,64 tapitrisa dolara amerikana. Tokantrano ambanivohitra maherin’ny 1 tapitrisa no nahazo tombontsoa mivantana tamin’izany. Santionany ny tao Sampona faritra Anosy sy Maroalimainty faritra Androy.

Mahomby ireo tetikasan’ny Fanjakana malagasy izay tohanan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana sy ny USAID

Ho an’ireo tetik’asa tohanan’ny FIDA, hita miroborobo ankehitriny ny fambolena ireo karazana voly mahatanty ny hain-tany, santionany ao ny ao amin’ny « site agro écologique » 5ha ao Sampona, distrikan’i Amboasary atsimo, izay sahanin’ireo fikambanan’ny tantsaha 5 tohanana amin’ny alàlan’ny Fandaharanasa DEFIS ary iaraha-miasa amin’ny CTAS (Ivon-toerana misahana ny masomboly), ny FAO sy ny PAM. Vokatry ny fampiharana ny teknika « agro écologique » dia efa nivadika maitso mavana ireo tontolo maina tsy misy rano teo aloha.

Tazana mahazo vahana ny mangahazo, ny apemba, ny katsaka, ny bajiry na mil, ny morenga izay ilaina amin’ny sakafo sady iarovana ny voly sy ny tany no atao fanafody ihany koa. Eny anelanelany eny ihany koa dia ahitana ny casanus izay sady sakafon’ny olona no sakafom-biby. Hoataon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tanjona ny hanapariaka azy ireny amin’ny toerana maro aty amin’ny faritra atsimo mba ahazoana vokatra betsaka sahala amin’izao hita ao Sampona izao.

Hita ao amin’io « bloc écologique » io ihany koa ireo REEPS (réservoir d’eau plein de sable) izay ahafahana manangona sy mitahiry azo avy amin’ny ranon’orana  miaty 30m3 mandritra ny fotoana maharitra, ao koa ireo « brise-vent » izay napetraka anelanelan’ny voly mba iadiana amin’ny fahamainan’ny rivotra.

Asa miroborobo ankehitriny koa ny fanodinana ny mangahazo ho lasa lafarinina « gari », ataon’ireo fikambanam-behivavy mivoatra ho asa fivelomana maharitra sy fampidiram-bola hanatsara ny fari-piainan’izy ireo. Misy ny fiaraha-miasan’ny Fandaharan’asa DEFIS sy ny PAM ho fampiroboroboana izany.

Ho an’ny fiompiana dia hita fa miroborobo ny fiompiana osy manaraka ny fiompiana ara-teknika sy ny fenitra ara-pahasalamana ataon’ireo tanora 60 miandahy niofana tamin’ny Fandaharanasa FORMAPROD. Efa manana velontena tsara ary mivoatra ao anatin’ny fandraharahana izy ireo, manaraka ny vinany.

Ireo tetik’asa iaraha-miasa amin’ny FAO aty atsimo koa dia miompana amin’ny fambolena, fiompiana ary ny jono. Miroborobo ny fampiasana ny teknika ara-pambolena mitsinjo sy mitahiry ny hamandoan’ny tany toy ny fambolena voly mifangaro : apemba, bajiry, voanemba ao Sampona. Izany dia iarahan’ny FAO miasa amin’ireo tetik’asa tohanan’ny FIDA. Eo ihany koa ny fiompiana akoho tsara karazana avy any Zimbabwe, izay mahatanty toetrandro maina. Akoho nohatsaraina 40 no aparitaka erak’ireo distrika 7 any amin’ny faritra atsimo hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina.

Anisan’ny naharesy lahatra ny masoivoho Amerikana ireo ezaka rehetra ireo izay mampiseho fa tena mandroso ary mitondra vokatra tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ireo fikambanana iraisam-pirenena.

Fehiny dia tena azo resena ny kere fa « mila mizatra ary mahay miatrika ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro ny Malagasy indrindra fa ny aty amin’ny faritra atsimo » hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON. Azo atao tsara hoy izy ny « mamokatra betsaka amin’ny fotoanan’ny orana, ary avieo dia manangona sy mampirina izany vokatra izany. Izay no antony irosoan’ny Fanjakana malagasy amin’ny fametrahana ny bankim-bokatra sy ny bankin’ny masomboly ». Mila ihany koa isika « mahay mampitombo ny fihariana amin’ny alàlan’ny asa samihafa toy ny fiompiana mba tsy iankinana betsaka amin’ny fambolena ary ahafahan’ireo vahoaka miatrika izany fiovan’ny toetrandro izany », hoy hatrany ny Minisitra Harifidy RAMILISON.

Retour

Comments are closed.