FIARAHA-MIASAN’I MADAGASIKARA SY NY FIDA : MANANA VELON-TENA IREO MPAHAZO TOMBON-TSOA AO AMIN’NY FARITRA ATSIMO

Amafisina hatrany ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy sy ny FIDA hanafoanana ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy ny fahantrana. Manatanteraka fitsidihana ifotony any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny Talem-paritry ny FIDA misahana ny faritra Atsimo sy atsinanan’i Afrika, Ramatoa SARA Mbago Bhunu, miaraka amin’ireo tompon’andraikitry ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tarihin’ny Sekretera Jeneraly RAHARINOMENA Fanja, sy ny Tranoben’ny Tantsaha. Tonga nitsidika ireo mpahazo tombontsoa tao Sampona sy Maroalimainty ny Delegasiona omaly 11 martsa 2022.

Sampona, distrikan’Amboasary Atsimo

Notsidihina ny « site agro écologique » izay midadasika amina 5ha ary iasàn’ny CTAS, Ivon-toerana misahana ny fikarakarana ny masomboly ao atsimo. Fivondronana tantsaha miisa 7 no tohanan’ny fandaharan’asa DEFIS amin’ny fambolena karazam-boly mahatanty ny fiovaovan’ny toetrandro manaraka ny teknika agroekolojika sady manatanteraka fiompiana osy matianina.

Fambolena mangahazo
Fiompiana osy

Ao Sampona ihany dia efa mivelona sy mampidi-bola amin’ny maha-mpandraharaha azy ankehitriny ireo tanora 60 mianadahy mpiompy osy izay nampihatra ny fiofanana azo avy amin’ny fandaharahasa FORMAPROD.

Tanora misitraka ny fanofanana avy amin’ny Fandaharan’asa FORMAPROD

Manoloana ny olana amin’ny tsy fahampian’ny rotsak’orana dia ny REEPS (Réservoir d’eau entérré plein de sable) no teknika fitehirizan-drano amatsiana mandavantaona ny filàna ranon’ny mponina, ny biby fiompy ary ny voly.

Maroalimainty, faritra Androy

Nisy koa ny fitsidihana ny asa atao ao Maroalimainty, faritra Androy. Fikambanam-behivavy sahirana miisa 5 no notohanan’ny Fandaharanasa DEFIS ary efa manao velon-tena amin’ny fiompiana osy.

Marihina fa hatramin’ny taona 1979 no efa miara-miasa akaiky amin’ny Fanjakana malagasy ny FIDA na ny Tahirim-bola iraisam-pirenena hoan’ny fampandrosoana ny fambolena, hamongorana ny hanohanana sy ny fahantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Tetikasa sy Fandaharan’asam-panjakana malagasy miisa 17 no efa novatsian’ny FIDA vola izay mitentina hatrany amin’ny 880 tapitrisa dolara, ary faritra 17 no iasàna ankehitriny. Ho an’ny faritra atsimon’i Madagasikara manokana, dia i Androy, Anosy ary Atsimo andrefana, dia vaindohan-draharaha amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa DEFIS sy FORMAPROD no manohy sy manatevina ny fahombiazana azo avy amin’ireo tetikasa teo aloha mba hahamatianina ireo tantsaha amin’ny seham-pihariana ataony.

Comments are closed.