Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny MINAE sy ny PAM anamafisana ny fahafaha-miatrika ny fiovaovaon’ny toetr’andro

Miara-miasa ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) eto Madagasikara, anampiana ireo mponin’ny faritra Atsimo hiarina sy hiatrika ny fiovaovàn’ny toetr’andro. Natao anio 10 martsa tao Anosy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa hanosehana ny famokarana sorgho sy voly hafa.

Tanjona ny hananan’ireo fianakaviana marefo sakafo mandava-taona hiatrehana ny maintany.

Efa miditra tanteraka amin’ny asa fampandrosoana maharitra ny PAM ka hanohana be be kokoa ny Fitondram-panjakana amin’ny alàlan’ny fampidirana ireo karam-boly mahabe otrik’aina, mifanaraka amin’ny toe-tany sy mahatanty ny fiovaovan’ny toetr’andro toy ny Sorgho.

Hizara ny traikefany ihany koa ny PAM eo amin’ny fomba fitahirizana sy fanangonana ary fanatobiana vokatra, sy ny fisorohana ny fahaverezan’izany (na gestion des pertes post-récoltes). Hisy ihany koa ny famatsiana fitaovana toy ny “sac hermétique” ary vinavinaina ny famatsiana milina fitotoana apemba na “décortiqueuse à sorgho”, irosoana be be kokoa amin’ny fanodinana ireo vokatra.

Manodidina ny 15 000 ha mahery no velaran-tany efa novolena ireo ireo karam-boly mahabe otrik’aina sady mahatanty ny fiovaovan’ny toetr’andro ary 17 000 taonina farafahakely ny vokatra andrasana amin’izany.

Ny PAM moa dia anisan’ireo handray an-tànana ny fividianana ireo vokatry ny tantsaha entiny hamatsiana sakafo be otrik’aina ireo mpianatra an-tsekoly, anatin’ny asa fiahiana ara-tsakafo izay tanterahiny. Fiaraha-miasa izay tafiditra ao anatin’ny Plan Emergence Sud sy ny velirano fahasivy napetraky ny Filoha, handravana ny kere ary hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo maharitra.

Fanamaintsoana ny faritra Atsimo. Vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana ny famongorana ny kere any Atsimo. Maro ireo tetik’asa sy fandaharan’asa mifandrombona anatin’izany toy MIONJO, ny CRS, ny AFAFI SUD, ny DEFIS, ny FORMAPROD, ny CASEF, fiaraha-miasa amin’ny mpiara miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Velom-bolo ireo tantsaha izay nisitraka ny tohana rehetra satria hita ny fiovàn’ny tontolo ary tsapa ny fihatsaran’ny asa fambolena sy fiompiana.

Anisan’izany ireo fianakaviana tena marefo izay efa misitraka ny tetik’asa Titre vert ao Agnarafaly. Efa afaka mihinana ny vokatra toy ny apemba na sorgho, katsaka, mil, balahazo, voly anana, izy ireo, ary afaka hametraka ambim-bava hiatrehana ny mety ho fisian’ny hain-tany.

Ankoatra ny famokarana dia irosoana koa ny fampidirana ny tantsaha amin’ny fanodinana ny vokatra mba ho azo tehirizina aman-taonany maro. Anisan’ny tanterahina amin’ny alàlan’ny fandaharan’asa DEFIS ohatra ny famadihana ny mangahazo ho lasa lafarinina “gari”.

Retour

Comments are closed.