FARITRA ANOSY : FAMETRAHANA NY VATO FEHIZORON’NY FANARENANA NY LALANA RIP 118a MAMPITOHY KAOMININA 12 MIAINGA EO SOANIERANA HATRANY BEVOAY

0

Ny làlana no lalan-drà mamelona ny toe-karena sy miantoka ny fifamezivezen’ny olona sy ny vokatra. Anisan’ireo làlana mampijaly ireo mpampiasa azy ny lalana RIP (Route inter-provincial) 118a mampitohy ny kaominina Soanierana hatrany Bevoay ao anatin’ny distrikan’i Tolagnaro, faritra Anosy.

Ny 7 mars 2022 lasa teo no nanamarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON, ny fanaingana ny asa fanamboarana ny ampahany faha-2 amin’io làlana 118a io, izay miainga eo amin’ny kaominina Isaka Ivondro (PK 26+600) hatrany Fenoevo (PK47+700), ary mirefy 21 kilometatra.

Fanamoràna ny famoaham-bokatra. Mponina maherin’ny 117 000 amin’ireo kaominina miisa 12 no hisitraka izany fanamboaran-dàlana Route inter-provinciale izany. Izy ireo no mpamatsy ny ankamaroan’ny vary sy karaoty ao amin’ny faritra Anosy. Hihena araka izany ny fotoana sy vola lany amin’ny fitaterana ny entana ka antenaina ny fiantraikan’izany amin’ny fihenàn’ny vidin’entana sy ny fidirambolan’ny tantsaha.

Ny Fandaharanasa DEFIS izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary vatsian’ny FIDA vola no tompo-marika amin’ny fanatanterahana izao tetikasa goavana izao. Nisy ihany koa nandritra ny fitsidihan’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny fanomezana tohana masomboly vary X265 milanja 500kg ho an’ireo fianakaviana tantsaha miisa 60 tao Isaka Ivondro mba hiavotan’izy ireo amin’ny fambolena taorian’ny toetr’andro ratsy.

Leave A Reply