TOSIKA FANARENANA SY FIAROVANA NY FAMBOLEN’IREO TANTSAHA AO AMIN’NY FARITRA ANDROY SY ANOSY

Niharam-boina noho ny fandalovan’ny rivo-doza roa (Batsirai sy Emnati) izay niteraka tondra-drano sy fahapotehan’ny voly, ireo tantsaha ao amin’ny faritra Androy sy Anosy. Maro amin’izy ireo koa no nianjadian’ny bibikely mpanimba voly. Nanolotra fanampiana azy ireo ny Fitondram-panjakana enti-manarina sy miaro ny fambolena.

Manambaro, distrikan’i Tolagnaro :

Tokantrano miisa 100 no nisitraka avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana masomboly vary 5kg isan-trano, katsaka 500kg, ary masomboly legioma 350 fonosana entina hamerenana ny fambolena izay simban’ny rivodoza.

Behara, distrikan’Amboasary Atsimo :

Noho ny fahasahiranan’ireo mpamboly izay niharam-pahavoazana ihany koa eo amin’ny fitadiavana masomboly, dia nanolotra masomboly vary X265 1 taonina, tsaramaso karazany lingot blanc 1,7 taonina ary masomboly legioma 200 fonosana ny fitondram-panjakana amin’ny alàlan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tokantrano miisa 68 no nisitraka izany. Ankoatra izay dia hisy ny fanaovana asa tanamaro sandaina vola mandritra ny 3 volana ho fanarenana ny simba sady hanampiana ara-pivelomana ireo tokantrano niharam-boina ireo.

Maroalimainty, faritra Androy : natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fanolorana fanafody famonoana bibikely mpanimba ny voly sy masomboly katsaka IRAT 200 ary hantaka ho an’ny mpamokatra ao amin’ny faritra Androy sy Anosy

Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny MIONJO izay tetik’asa eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary iarahan’ny MINAE tanterahina miaraka amin’ny FAO.

Raha tsiahivina, ny 7 janoary lasa teo, no nanombohan’ny tetik’asa ny famokarana voly mahatanty ny fiovàn’ny toetr’andro sady mitondra otrik’aina toy ny sorgho, niébé, voanjo ary ny mangahazo, tao amin’ny faritra Androy sy Anosy. Izany dia natao tamin’ny alàlan’ny fanomezana masomboly, izay narahina fiofànana sy famatsiam-bola ho fampitaovana ny tantsaha.

Taorian’izay dia nanatanteraka fitsirihina teny an-toerana ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ny voly (Direction de la Protection des Végétaux na DPV) eo anivon’ny MINAE ary hita ankehitriny fa ny 30% ny zava-maniry dia efa rakotry ny bibikely avokoa ka ilàna vahaolana maika.

Fanafody famonoana bibikely mpanimba voly 4 700 litatra (Deltamethrine sy Imidachlopride) ary no entina hanavotana ny fambolena eo amina velaran-tany 9 900ha ao amin’ny faritra Anosy sy Androy.

Ny DPV no misahana ny famendrahana ary ofanina amin’izany koa ireo « agents brigadiers phytosanitaires » mipariaka eraky ny fokontany.

Ho an’i Maroalimainty manokana dia toeram-pambolen’ny tokantrano miisa 300 no avotana amin’ny alàlan’ireo fanafody ireo. Ireto farany izay nizarana masomboly katsaka IRAT 200 sy hantaka (dolique) ihany koa. Ary nisy koa, ho ana fikambanana miisa 57 ao amin’ny fokontany miisa 19 anatin’ny kaominina Maroalimainty, ny angady sy voatavo (karazany MARA BE) natolotra ireo mpikambana.

Ny lanonana dia natrehin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, ny Governoran’ny Faritra Androy, ny mpandrindra nasionalin’ny tetik’asa MIONJO ary ireo manam-pahefana eny anivon’ny kaominina sy distrika.

Comments are closed.