Zanak’akoho miisa 6000 ho an’ireo tantsaha ao amin’ny distrikan’i vatomandry, traboina vokatry ny rivo-doza

Zanaka akoho lahy “coquelets” miisa 6000 no natolotry ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana, ho an’ ireo tantsaha niharam-boina ao amin’ ny Distrikan’i Vatomandry anio zoma 28 Febroary 2022 teny amin’ ny DGE Ampandrianomby.Tanjona ny amerenana ny asa fiaharian’ireo mpiompy tra-pahavoazana sy hanampiana ny lafiny ara-tsakafo.

Ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Vatomandry, Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan, no tonga nandray ary hitsinjara izany ho an’ireo fikambanana tantsaha mpiompy any an-toerana.Efa vita vakisiny ireo akoho kely ireo ary ompiana mandritry ny efatra hatramin’ny enim-bolana.

Izao hetsika izao dia tohin’ny efa natao tany amin’ny faritra Amoron’I Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe sy ny distrikan’ i Mahanoro. Zanaka akoho lahy kely miisa 13500 no efa natolotra hatreto ary hotohizana any amin’ ny faritra hafa ihany koa. Ho atao laharam-pahamehana ireo faritra nolalovan’ ireo rivodoza nifanesy teto amin’ny nosy.

6 000 poussins pour les paysans producteurs sinistrés du District de Vatomandry

Afin de restaurer les moyens de subsistances des paysans éleveurs victime du passage des cyclones dans le district de Vatomandry , région Atsinana, le Gouvernement Malgache à travers le Ministère de l’ Agriculture et de l’ Elevage MINAE leurs a fait don de 6000 coquelets.

Cette initiative va permettre également de renforcer la sécurité alimentaire des paysans en leur apportant une source de protéine animale. Les coquelets en phase adulte peuvent être aussi commercialisés pour diversifier les sources de revenus des paysans.

La remise officielle des coquelets s’est tenue le vendredi 28 février 2022 à Ampandrianomby. Le Député de Madagascar élu à Vatomandry Mr RAZAFINANDRASANA Raulan s’est déplacé en personne pour recevoir les coquelets et s’est chargé du transport et de la distribution des poussins. Le député qui n’a cessé de loué l’initiative du gouvernement à mentionné que les poussins, qui sont déjà vaccinés, seront répartis auprès des associations de paysans dans 8 communes du district.

Il est à noter que le Gouvernement Malagasy a déjà distribué près de 13500 poussins pour les paysans sinistrés des régions Amoron ‘I Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe et le district de Mahanoro . Le gouvernement va poursuivre ses actions dans toutes les régions de Madagascar mais va prioriser les régions qui ont subit le passage des cyclones.

Retour

Comments are closed.