Trangan’aretin’omby any amin’ny faritra: mandray ny andraikiny ny MINAE

Manoloana ny aretin’ny omby izay mampiahiahy ny mpiompy ary miparitaka amin’ny faritra maro amin’izao fotoana izao dia nisy ny fanazavana nentin’ny DSV izay eo aniovon’ny Ministeran’ny Fambolena sy fiompiana, ny 22 febroary 2022.

Raha tsiahivina dia ny 26 oktobra 2021 no nisian’ity trangan’aretina ity voalohany teto Madagasikara tao amin’ny faritra Vakinankaratra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Ministeran’ny Fambolena sy fiompiana tamin’izany satria nahiana ho DVB na « Diarhée Viral des Bovidés » ilay trangan’aretina : nisy ny  fangalana singa hamantarana ny otrik’aretina any anatin’ny biby natao tamin’izany ka voamarina fa tsy DVB ilay aretina. Efa niroso tamin’ny « analyse PCR »  ihany koa hijerevana ny  fototry ny aretina ka andalam-piandrasana ny valiny amin’izao fotoana.

Toy izao ny fisehon’ilay aretina: miakatra ny mari-panan’ilay omby, misy olana avy eo eo amin’ny taovam-pisefony, mivalana be avy eo izy ary misy rà kely miaraka amin’izay. Mifindra amin’ny alalan’ny rivotra ilay aretina ary ary tena haingam-pifindra tokoa.

Raha mahita ireo fambaran’aretina ireo araka izany ny mpiompy dia toy izao ny fepetra raisina: atokana avy hatrany ny omby marary, atao ny fanadiovana ny tranony araka izay tratra, tsy tokony hikoropaka fa miantso avy hatrany ny mpitsabo biby akaiky indrindra ary eo am-piandrasana izany dia omena rano betsaka ny omby hanoherana ny rano very, omena vitamina sy “anti-inflammatoire” izy avy eo. Marihina fa ny 99%n’ny omby narary ka notsaboina dia sitrana soa aman-tsara avokoa ary tsy hiverenan’ilay aretina intsony.

Faritra 15 ankehitriny no ahitana ny trangan’aretina ka distrika 41 sy kominina 163 no voakasika amin’izany. Miteraka fatiantoka goavana eo amin’ny sehatry ny fiompiana ary indrindra amin’ ny famokarana ronono anefa ny aretin’omby tahaka izao. Manoloana izany dia misy ny fizaràna fanafody isaky ny faritra ataon’ny MINAE amin’ny alalàn’ny DSV ka ny SRE no misahana ny fitsinjarana izany, izay iaraha-miasa amin’ny COI sy ny FAO.

Anterina fa tsy misy hifandraisany amin’ny fanafarana ombivavy be ronono ity trangan’aretina ity fa aretina vaovao mihintsy. Tsy mifindra amin’ny olona, tsy misy fiantraikany amin’ny fitomboan’ny taranaky ny biby ary azo hohanina tsara ihany koa ny hena sy ny rononony.

——————————————————–

MALADIE DIARHEIQUE DES BOVINS A MADAGASCAR : LE MINAE A DEJA PRIS SES RESPONSABILITES

Face à la maladie bovine qui se propage dans de nombreuses régions et qui menace l’élevage de bovin et la production laitière, la DSV du MINAE a organisé une séance de partage d’information sur la situation actuelle et l’évolution de cette maladie, le 22 février 2022 à Ampandrianomby.

Rappelons que cette nouvelle maladie est apparue pour la première fois dans la région  Vakinankaratra le 26 octobre 2021. Le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage a pris immédiatement des mesures nécessaires. D’ abord  le « Diarrhée Virale des Bovidés » (DVB) a été suspecté. Des prélèvements ont été effectués et confirmant que la maladie n’est pas le DVB. D’autres analyses complémentaires par PCR sont actuellement  en cours.

Les symptômes de cette nouvelle maladie sont les suivants: la température de l’animal augmente, puis survient un problème du système respiratoire  suivie d’une diarrhée profuse et parfois sanguinolente. La maladie est hautement contagieuse entre les animaux et se propage également dans l’air.

En cas d’apparition de ces  symptômes, il est primordiale pour les  éleveurs de suivre le protocole de traitement suivant :

  1. Isoler immédiatement l’animal malade et informer le vétérinaire pour l’intervention médicale ; éviter la panique car la maladie n’est pas mortelle 
  2. Effectuer ensuite une désinfection
  3. donner à boire l’animal pour éviter la déshydrations
  4. Administrer des antibiotiques ou sulfamides,
  5. Donner aux animaux des fortifiants (vitamine) et des anti-inflammatoires.

Notons que 99% des bovins infectés et traitées ont été complètement guéries.

Actuellement, 41 districts et 163 communes dans 15 régions sont touchés par la maladie. Pour la gestion de la maladie, le MINAE à travers le DSV en collaboration avec la COI et la FAO prédispose des médicaments (antibiotiques, sulfamides, vitamines, anti-inflammatoires) dans les régions infectées.

 Les Services Régionaux de l’Elevage ou SRE se chargent de la distribution de ces médicaments aux éleveurs les plus démunis. Le Gouvernement malagasy renforce également de dispositifs de surveillance de la maladie diarrhéique des bovins en impliquant les chefs Fokontany pour éviter le retard d’intervention et d’informations aux vétérinaires.

Il est important de souligner que la maladie n’a rien à voir avec l’importation de vaches laitières mais qu’il s’agit d’une nouvelle maladie. Il n’est pas contagieux aux Hommes et n’ayant aucun impact sur la reproduction des animaux. La viande et le lait des bovins guéris sont consommables et n’a pas d’effet néfaste sur la santé humaine.

Retour

Comments are closed.