MINAE-FAO-OMS: Atrikasa nasionaly fanjohina ny fanoheran’ny vatan’ny olona na ny biby ny ady amin’ny mikroba sy ny fampiasana azy

Mbola betsaka ny fampiasana tsy am-piheverana ny antibiotika eto Madagasikara na eo amin’ny sehatry ny fiompiana (akoho amam-borona, kisoa,)  izany na eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Miteraka ny fanoheran’ny vatan’ny olombelona na ny biby tsy handaitra intsony ao aminy anefa izany. Olana manerantany ny fanoherana ny ady amin’ny mikroba (AMR) ary misy  fiantraikany betsaka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, sosialy, tontolo iainana: manohintohina ny famokarana, ny fanatrarana ny fanjarian-tsakafo ary mety hitarika fahafatesan’ny biby sy ny olombelona izay mihinana izany. Araka ny fantatra eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena dia mety hisy fidinany hatrany amin’ny 5% ny harin-karena faobe hatramin’ny taona 2050, noho izay fanoherana ny antibiotika izay.

Isan’ny Firenena, miady amin’ny mikroba i Madagasikara. Efa misy ny drafitrasa maty paika napetraka na ny « Plan d’action national de surveillance et de lutte contre la résistance aux antimicrobiens à Madagascar » izay iarahan’ny FAO, Ministeran’ny Jono, ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana, ny Ministeran’ny fahasalamana ary ny Ministeran’ny tontolo ianana miasa,   hanangonana vaovao sy hijerena ny antontan-kevitra hahafahana mandray fepetra iraisana manoloana ny fanoherana ny ady amin’ny mikroba sy ny fampiasana ny ady amin’ny mikroba. Araka izany dia tanterahina ny 01-04 febroary 2022 ao amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa nasionaly ho fanjohina sy fanaovana jery todika ny fanatanterahana izany drafitrasa izany, izay notarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison HARIFIDY. Natao ihany koa ny atrikasa hanampiana an’I Madagasikara amin’ny famolavolana ireo asa tokony mbola hatao hanatanterahana tsara ny drafitrasa nasionaly. Amin’ny alalan’ny « Approche PMP-AMR » na « Approche progressive de gestion de la résistance aux antimicrobiens » no hanatanterahana izany.

Aorian’ity atrikasa ity dia tokony ho (1) fantatra mazava ny fahafaha-manao, ara-teknikan’ny firenena tsirairay, voasoratra ao anatin’ny fomba fiasa PMP-AMR : ny serasera, ny fanaraha-maso, ny fomba fiasa nahomby ary ny fitantanana. Ho fantatra ihany koa ireo teboka ilàna fanatsarana ; (2) Voafaritra mazava ireo asa fototra fohy sy lavitr’ezaka ho fanatsarana ny PAN-RAM sy ny fandrosoan’ny fanatanterahana azy. Ho fantatra mazava ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanatanterahana ny asa, ny fotoana hanatanterahana azy ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. (3) Ireo asa laharam-pahamehana hahafahana mamolavola ny tetikasa MPTF sy ny RAM eo anivon’ny FAO, ny vokatra havoaka sy ny tondro fototry ny fahombiazana dia voafaritra mazava. (4) Ho voafehy sy voaparitaka ny fomba fiasa PMP-PAM amin’ny maha fomba fanaovana tomban’ezaka mora ampiasaina azy eo amin’ny sehatry ny ady atao amin’ny RAM sy ny UAM tsy am-piheverana.

Nanamafy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana nandritra ny fandraisany fitenena fa “ zava-dehibe ny fanaovana ity atrikasa ity izay hanaovana jeritodika sy tomban’ezaka ny asa vita ary hijerena  no tokony hatao hanatsarana ny asa mbola miandry, ho fiarovana ny vahoaka ary indrindra hahafahana miroso amin’ny  velirano fahasivy dia ny  fahavitan-tena ara-tsakafo”.

MINAE –FAO – OMS : ATEELIER D’EVALUATION SITUATIONNELLE NATIONALE DE LA RESISTANCE AUX ANTIMICROBIENS (RAM) et DE L’UTILISATION DES ANTIMICROBIENS (UAM)

L’utilisation des antimicrobiens est essentielle pour la sécurité alimentaire et pour le bien-être des humains, des animaux, …. Toutefois, l’utilisation inappropriée de ces médicaments favorise l’apparition et la propagation de micro-organismes qui leur deviennent résistants et cela contribue à compromettre sérieusement l’innocuité des aliments, la sécurité alimentaire, et le développement économique durable. La résistance aux antimicrobiens (RAM) est un problème mondial. Elle constitue un enjeu de développement important et risque d’aggraver la pauvreté dans le monde, avec un impact particulièrement sévère pour les pays en voie de développement. La RAM pourrait conduire à l’horizon 2050 à une chute de plus de 5 % du PIB dans les pays à faible selon une étude de la Banque Mondiale.

Madagascar a déjà élaboré un « Plan d’action national de surveillance et de lutte contre la résistance aux antimicrobiens à Madagascar » dans une approche multisectorielle entre les départements des ministères de l’agriculture et de l’élevage, de la santé, de la pêche et de l’environnement, afin de collecter des données et de s’informer pour la prise de décision. Ainsi, un atelier national de l’analyse de la situation de la RAM et de l’UAM selon l’approche PMP-RAM s’est tenu du 1er au 4 février 2022 à l’Hôtel Carlton Anosy à Antananarivo, présidé par le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON.

L’objectif général de cet atelier national est d’évaluer la mise en œuvre du plan d’action national ou des différentes activités sur la RAM en utilisant l’outil PMP-AMR, mais aussi d’appuyer Madagascar dans la formulation des actions à prendre à court terme afin d’amener la mise en œuvre du plan d’action national à un niveau plus élevé.

A l’issu de cet atelier, (1) les capacités techniques du pays dans les domaines d’intervention décrits dans l’outil PMP-AMR (la communication, la surveillance, les bonnes pratiques et la gouvernance) sont déterminées et les points à améliorer sont identifiés ; (2) les actions clés à prendre à court et moyen termes pour améliorer le PAN-RAM et le niveau de sa mise en œuvre sont identifiées et priorisées. Les institutions/personnes responsables de la mise en œuvre des actions ainsi que les délais d’exécution et les PTFs potentiels sont déterminés ; (3) les activités clés et prioritaires pour la formulation du projet MPTF de la Tripartite et des projets RAM de la FAO, ainsi que les produits livrables et indicateurs clés de performance sont identifiés ; et (4) l’outil PMP-PAM en tant qu’outil d’évaluation pratique des activités nationales de lutte contre la RAM et l’UAM inapproprié est maîtrisé et vulgarisé.

Le Ministre a souligné dans son allocution « l’importance de la tenue cet atelier qui permettra de faire une évaluation sur l’avancement des actions et de voir ce qui peut être fait pour l’amélioration, pour la protection de la population et surtout pour aller de l’avant avec le velirano 9 qui est l’autosuffisance alimentaire ».

Retour

Comments are closed.