MINAE-FIHARIANA : Fitokanana ny tetikasa Titre Vert ao Vakinankaratra

Maro ireo tanora no tsy an’asa kanefa te hisehatra ao anatin’ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ao amin’ ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ ny vahaolana entin’ ny fitondram-panjakana Malagasy ny fametrahana ny tetikasa “Titre Vert” izay famporisihana ireo tanora ho lasa mpandraharaha matihanina, hisehatra amin’ ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra ary ny famarotana izany.

Nomena ny enti-manana rehetra afahany manatanteraka ny asa fihariany ireo tanora ireo. Tany mirefy 10 000 m2 na 1Ha avy, omby vavy be ronono, fiompina haingam-piodina toy ny fiompina akoho sy kisoa, trano fonenana manara-penitra, tranon’omby , toeram-pambolena vilona Juncao sy legioma ahitana fanondrahana mitsitaitaika avy amin’ny “forage” izay hampiasaina amin’ ny herin’ ny masoandro.

Notanterahina ny sabotsy 11 desambra 2021 tao amin’ny Fokontany Anosimboahangy, kaominina Andranomanelatra, faritra Vakinankaratra ny fitokanana ny tetikasa “titre vert” ho an’ny faritra. “Jeunes Entrepreneurs Modernes” JEM miisa 59 no notoloran’ ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny Bokin-tany.

Nandray anjara tamin’ny fanomezana tohana ireo tanora mpandraharaha ny MINAE sy ireo rantsa mangaikany, amin’ ny fanofanana samihafa toy ny fomba fiompina sy fambolena, ny fitantanana ny orin’asa. Nampanantena ny Ministry ny MINAE, Harifidy RAMILISON fa hanamafy sy hanohy ireo tohana hoan’ ireo tanora ireo. Nentanina moa izy ireo hivondrona anaty koperativa.

Maneho ny fahavononany hatrany ny Fitondram-panjakana hanampy ireo tanora. Hoapetraka manerana ny faritra 23 ny tetikasa “titre vert” hanatrarana ny velirano faha 6 amin’ny fanomezana asa mendrika ho an’ny rehetra sy ny faha 9 ho fahavitan-tena ara-tsakafo. Taorian’ny lalonana dia nitsidika ny “ferme ARMOR” ny Filoham-pirenena mivady. Io toerana io no misy ireo ombivavy be ronono nafarana izay salama tsara daholo.

MINAE-FIHARIANA: INAUGURATION DU PROJET TITRE VERT DANS LA REGION VAKINAKRATRA

La région Vakinankaratra comptes de nombreux jeunes sans emploi et pourtant désireux de s’investir dans l’entreprenariat rural. Le projet titre vert fait partie des solutions apportées par l’Etat Malagasy afin d’assurer l’emploi des jeunes à travers l’entrepreneuriat dans le secteur agricole et la mise en place d’exploitation agricole formelle.

Ce projet « clé en main » consiste donc à installer de « Jeunes Entrepreneurs Modernes » (JEM) sur un terrain agricole d’un hectare (1Ha). Ces derniers bénéficieront en outre de logements et d’infrastructures productives (Etables, kit de système de micro irrigation goutte par goutte…), des formations et accompagnements techniques et entrepreneurial, ainsi que d’un appui financier sous forme de prêts. Ce projet à vocation économique va contribuer à l’atteinte des objectifs des engagements n°6 et N° 9 du président de la République.

Pour la région Vakinakaratra 133 Jeunes Entrepreneurs Modernes ont été sélectionnées pour bénéficier de ce projet. L’Inauguration du projet titre vert de la région s’est tenue le samedi 11 décembre 2021 dans le fokontany d’Anosibohangy kaominina Andranomanelatra. A cette occasion le Président de la République de Madagascar Andry RAJOELINA à remis aux 59 jeunes des certificats pour l’occupation des terrains, et 17 d’ entre eux ont reçu la clé de leurs habitations et des vaches laitières pour leurs activités.

Ces JEM ont bénéficié de soutiens et de formations en technique agronomique et en culture entrepreneuriale de la part du MINAE. Le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage a promis durant son allocution que le ministère va poursuivre les différents accompagnements et a sensibilisé les jeunes entrepreneurs à s’unir dans une coopérative afin de faciliter la commercialisation des produits.

Le Président de la République a également profité de cette cérémonie pour effectuer une visite de la ferme ARMOR du centre FIFAMANOR lieu où les vaches laitières importées sont mis en quarantaine

Retour

Comments are closed.