PC 23: Afaka miatrika tsara ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha

Afaka miatrika am-pitoniana ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha mamboly ao amin’ny lemaka PC23 kaominina Ambodirano, Distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, raha nisedra olana noho ny fahasimban’ny foto-drafitrasa famatsian-drano izy ireo hatramin’ny taona 2010. Nandray an-tànana ny fanavaozana ny tohadrano Sahabe ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalàn’ny MINAE, fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney amin’ny alalàn’ny JICA. Efa azo lazaina vita ny asa ankehitriny. Velaran-tany mirefy 10 000ha no ho voatondraka.

Tantsaha manodidina ny 6000 no hisitraka izany ary afaka hamokatra vary hatramin’ny 50000 T ao anatin’ny taom-pamokarana. Afaka mifehy rano ireo mpamokatra ary mampihatra ny haitao amin’ny fambolena rehetra, toy ny fampiasana ny teknikam-pambolena mahomby ho fampitombona ny voka-bary. Ho fanatrarana ny vina lehibe dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo.Mitentina hatrany amin’ny 3 Miliara Yen na 100 miliara Ar ny teti-bidy nanamboarana ny asa, vola izay tsy averina.

 “Tsy mitsahatra mitondra vahaolana maharitra entina mampandroso ny sehatry ny famokarana ny fitondram-panjakana hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny fiompiana nandritry ny fandraisany fitenena. Tsy vitan’ny fitondrana irery anefa izany fa mila ny fiaraha-mientana avy amin’ny tatsaha; mila arovana ny sahan-driaka mba hampaharitra ny foto-drafitrasa sy ho fitsinjovana ny faramandimby” hoy izy.

Tontosa ny zoma 26 novambra 2021, ny lanonana ofisialy famahana ny “rano”  tao amin’ny lemaka PC 23, izay notarihin’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana  RAMILISON Harifidy sy ny masoivoho japoney  SEM HIGUCHI Yoshihiro.

Velom-bolo ireo tantsaha tany an-toerana, ary vonona sy nanome toky ny amin’ny hikojakojana ny fotodrafitrasa sy ny fitantanana ny rano, ho amin’ny famokarana mahomby. 

——————————————————

PC 23: MISE EN EAU POUR POUVOIR PERMETTRE LA CAMPAGNE AGRICOLE 2021-2022

Les paysans producteurs dans le périmètre PC23, commune d’Ambodirano, district d’Amparafaravola, région d’Alaotra Mangoro peuvent désormais permettre la campagne agricole 2020-2021 s’ils ont, depuis 2010, confrontés à des problèmes d’approvisionnement en eau. Ainsi, le Gouvernement Malagasy à travers le MINAE avec la collaboration du Gouvernement Japonais via le JICA a réhabilité le barrage de Sahabe, cela dans le cadre du projet de don non remboursable de la réhabilitation du système d’irrigation dans le Sud-Ouest du lac Alaotra. Ce projet a pour objectif principal de fournir le périmètre qui a une surface de 10 000ha, en eau, d’une manière stable. Environ 6000 paysans bénéficient de ce projet et ils pourront produire jusqu’à 50000t de riz dans une année de campagne. Les producteurs pourront bénéficier de l’eau et débuter les préparations des rizières.

Ce projet s’aligne avec la vision du Gouvernement malagasy de vouloir réhabiliter 100 000ha pour atteindre l’autosuffisance en riz.

Le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage a déclaré durant son allocution  que « Le Gouvernement malagasy continue d’apporter des solutions durables pour pouvoir encore booster le secteur Agricole», et « non seulement du Gouvernement mais il a besoin de collaboration et responsabilisation de chaque agriculteur; les périmètres doivent être protégés pour la pérennisation des infrastructures et pour prévoir l’avenir », a-t-il encore stipulé.

Afin de ne pas rater la campagne 2021-2022, le MINAE a décidé d’ouvrir les vannes pour permettre l’entrée de l’eau au niveau de la tête de prise de ces infrastructures. La cérémonie de cette  mise en eau du PC23 s’est tenue le 26 novembre 2021 avec la présence du Ministre du MINAE, Harifidy RAMILISON, de Son Excellence Monsieur l’Ambassadeur du Japon à Madagascar, Monsieur SEM HIGUCHI Yoshihiro, du Gouverneur Alaotra Mangoro RAMANDEHAMANANA Richard ainsi que les autorités locales.

Les agriculteurs locaux sont prêts à maintenir les infrastructures et la gestion de l’eau pour une production massive.

Retour

Comments are closed.